Sport

Fifaninanam-pirenena rugby an-sekoly Efa-bolana no hanatanterahana ny andiany faha-2


  • Zoma 15 Jona 2018

Any Toliara no hanombohana ny dingana voalohany amin’ny fiadiana nasionalin’ny fifaninanana rugby an-tsekoly na “rugby scolaire” andiany faha-2 eto Madagasikara ny 15,16 ary 17 jona 2018 ka handraisan’ny solontenan’ny Faritra Atsimo Andrefan’ny nosy anjara.

 

Ao Fianarantsoa ny fifaninanana manaraka ny 6-8 jolay 2018 ho an’ny faritra Atsimo Atsinanana, ao Toamasina ny manaraka ny 20-22 jolay ho an’ny Faritra Avaratra Atsinanana, ao Ambanja ny 3-5 aogositra ny any Faritra Avaratra Andrefana ary eto Antananarivo Faritra Afovoan-tany no mamarana ny dingana rejionaly ny 20-22 septambra 2018 mialoha ny « Grande finale » hotontosaina etsy amin’ny kianjan’i Malacam Antanimena ny 23 septambra 2018 ho avy izao. Niarahan’ny fikambanana Terres en Mêlées Madagascar tarihan’i Pierre Gony nisahana nandritra ny volana maromaro niaraka tamin’ny minisiteran’ny fanabeazam-pirenena Malagasy sy ny Malagasy Rugby ny fanomanana an’ity hetsika ity ary manana ny ray mpiahy azy, Atoa Alexandre Flanquart (2 ème ligne du Stade Français Paris et de l’équipe de France) izay hanome voninahitra manokana ny « championnat » any Toliara ity ka hanokatra ofisialy izany amin’ny alalan’ny « Soirée VIP » hotontosaina ao amin’ny Vakok’Arts « Alliance Française de Tulear » ny zoma 15 jona 2018. Hisy hetsika samihafa miaraka amin’ny « Carnaval » hatao isaky ny tanàna handray ny fifaninanana rejionaly. Marihana fa ankizy lahy sy vavy miisa 8000 avy amin’ny Faritra 17 eto Madagasiakara no handray anjara amin’ity fifaninanana nasionalin’ny rugby an-tsekoly 2018 ity ary mpampianatar 44 nofaninana manokana sy nomen’ny Word Rugby diplaoma  no hanara-maso azy mandritra ny efa-bolana.

 

Ntsoavina Evariste


.

.

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT