Sport

Fifandonan’i Mayweather sy Mc Gregor Resa-bola no tena marina


  • Alatsinainy 28 Aogositra 2017

Noporofoin’ilay Amerikanina Lloyd Mayweaher tany Las Vegas ny sabotsy lasa teo fa mbola anisan’ireo mafy sy kinga eran-tany izy raha ny taranja boxe no resahana.

 

 Tsy nahatohitra azy ary tena namboariny araka ny fomba fiteny ilay teratany Irlandais Conor Mc Gregor tompondakan’ny MMA (Mixed Martial Arts) ary sambany niatrika ady boxe. Nifandanja ihany ny roa tonta tany am-piandohana saingy tsikaritra ny faharerahan’i Mc Gregor, ary nisesisesy ny totohondrin’i Mayweather niantefa teny amin’ny tavany. Najanon’ny mpitsara ny fifandonana teo amin’ny round faha-9 satria fanina tanteraka i Mc Gregor. Iny no lalao farany nataoko, hoy i Lloyd Mayweather 40 taona izay raha atambatra ny vola efa azony hatramin’izay nanaovany Boxe dia efa mananika ny 1,3 miliara dolara. Izy no mpanao fanatanjahantena anisan’ny manankarena indrindra miaraka amin’ilay mpilalao basket efa misotro ronono Michael Jordan. Maro no nankafy tokoa ny fifandonan’izy mirahalahy ireto ny sabotsy teo satria 20 000 no nijery mivantana tany Las Vegas raha toa ka efa ho olona 1 miliara no nanaraka izany mivantana tamin’ny fahitalavitra manerantany. Maro ihany koa ny fanakianana izay nilaza fa vola no tena tao ambadik’iny fa tsy lalao madio. Mety hahazo vola be 75-150 tapitrisa dolara mantsy i Mc Gregor izay resy raha toa ka hahazo 250 tapitrisa dolara kosa i Mayweather mpandresy, miaraka amin’ilay fehikibo vita amin’ny hodi-boay ary noravahana diamondra 3360, safira 600, emeraoda 160 ary volamena 1 kilao.


RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT