Sport

Fifandonana amin’i Tanzanie Amin’ny sabotsy vao mety hanainga ny Barea


  • Alakamisy 02 Septambra 2021

Hisy fiovana ny fiaingan’ny Barean’i Madagasikara eto an-tanindrazana hiazo an’i Dar Es Salaam Tanzanie, fa tsy ho anio 2 septambra alina aorian’ny lalao, araka ny efa nambara tany aloha, hoy Atoa Jocelyn Razafimamonjy,

 mpikambana eo anivon’ny Komity mpanatanteraka sady miandraikitra ny seraseran’ny FMF. Mety ho ny 4 septambra io, saingy miankina amin’ny voka-dalao anio ny zava-drehetra, raha ny fanazavana. Ny 7 aogositra izao moa no hifandona amin’ny Taifas Sports ekipam-pirenena Tanzanianina ny Barean’I Madagasikara. Nambarany kosa fa mila miomana tsara, ary isan’ny zava-dehibe ny fizarana amin’ny kianja. Tany am-boalohany, dia voalaza fa nisy ny hevitra amin’ny hisiana sidina manokana hamonjena ny Renivohitr’I Tanzanie ka hisidina avy hatrany vao vita ny lalao amin’i Bénin. Nilaza ny teo anivon’ny FMF nandritra ny fampahafantarana ny lisitr’ireo mpilalao 30 ny 24 aogositra lasa teo, fa efa milamina 1000% ny dia mankany Tanzanie, mba hialana ny zava-misy sy olana mateti-piseho aty Afrika. Ny alatsinainy teo, nisy ny taratasy navoakan’ny Minisiteran’ny fanatanjahantena, fa “hatramin’izao ora izao dia mbola tsy hita faritra mazava ny fanomanana ny lalao sy ny fitaterana ny BAREA amin’ny fihaonana amin’ny Ekipam-pirenena Tanzaniana izay hotanterahina amin’ny 07 septambra 2021 ho avy izao”. Inoana fa efa nilamindamina ny disadisan’ny roa tonta, ka mba hiara-hijery sy hitady vahaolana raha toa ka mbola tsy milamina tokoa. Mbola misy ilay lanonam-be fitokanana ny kianja Barea Mahamasina ihany koa moa ny sabotsy 4 septambra ary tombanana fa hanatrika ao ny ekipam-pirenena, ka aorian’izay vao handao an’i Madagasikara sy hiazo an’i Tanzanie.
Legende: Jocelyn Razafimamonjy, tompon’andraikitry ny seraseran’ny FMF
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT