Sport

Fifandonana amin’i RDC Barea miisa 9 nanao CAN 2019 sisa tavela


  • Alakamisy 07 Oktobra 2021

Mpilalao Malagasy miisa 9 tamin'ireo 23 tao anaty lisitry ny lalao am-pahavalon-dalan'ny CAN 2019 nifandonana tamin'ny RD Congo ny 7 jolay 2019 no nihazo an'i Kinsasha dia i Melvin Adrien, Bapasy Razakanantenaina,

 Rayan Raveloson, Ibrahim Amada, Marco Ilaimaharitra, Romain Métanire, Mamy Gervais Randrianarisoa, Njiva Rakotoharimalala, ary Paulin Voavy, raha ny fampitam-baovao voaray avy amin’ny mpamakafaka ara-panatanjahantena, Mirado Rakotoharimalala omaly. Etsy ankilany kosa dia miisa 5 amin'ireo 23 sisa no mandrafitra ny lisitry ny mpilalao handray ny Malagasy ary hivahiny eo amin'ny Kianja Barea afaka andro vitsy ho an-drizareo kongoley dia i Cédric Bakambu, Christian Luyindama, Meschack Elia, izay efa heno fa tsy afaka hiatrika izany indray, Chancel Mbemba ary Arthur Masuaku. Anio amin’ny 4 ora hariva, ora eto Madagasikara moa no hanaovana ny lalao mandroso hifandonan’ny ekipam-pirenena malagasin’ny baolina kitra amin’ny ekipam-pirenen’ny RDC ao Kinsasha ary ny 10 oktobra ihany dia efa handray azy ireo etsy amin’ny Kianja Barea Mahamasina ny Barea mandritry ny lalao miverina ao anatin’ny andro fahaefatry ny fiadiana ny tapakila hiakarana any amin’ny tompondaka eran-tany 2022 atao any Qatar hatrany.
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT