Sport

Fifampikasokasohana be loatra Voan’ny Coronavirus ny Barea iray


  • Alatsinainy 06 Septambra 2021

Efa tonga any Dar Es Salaam Renivohitr’i Tanzanie hatry ny omaly alahady ny Barean’i Madagasikara izay hifanandrina amin’ny Taifas Stars ekipam-pirenena Tanzaniana rahampitso 07 septambra.

 Araka ny fenitra dia misy hatrany ny fitiliana valanaretina coronavirus amin’ny fiaingana sy ny fahatongavana any amina firenena iray. Nisy fitiliana PCR nialohan’ny nialana teto Madagasikara, ary “négatif” avokoa ny valin’izany, hoy ny teo anivon’ny Federasionina Malagasy ho an’ny taranja baolina kitra (FMF). Rehefa tonga tany Dar Es Salaam anefa, dia tsy maintsy nisy indray ny “contre-test” ka TDR (Test de Diagnostic Rapide) no natao. Rehefa nivaly izany, dia mpilalao iray ao anatin’ny ekipam-pirenena Malagasy no voamarina fa tratry ny valanaretina coronavirus, hoy ny fampitam-baovaon’ny FMF. Efa noraisina avokoa ny fepetra rehetra mba tsy hisian’ny fipariahana, hoy hatrany ny FMF. Raha ny fampitam-baovao hatrany, dia notanterahina omaly tamin’ny 3ora ny fitiliana PCR fanao mialohan’ny lalao. Tsy fantatra mazava kosa hoe: iza tamin’ireo mpilalao ao anatin’ny ekipam-pirenena io oamarina fa tratry ny covid-19 io? Mpilalao avy eto an-toerana sa mpila ravinahitra? Raha mpila ravinahitra, dia ny 29 aogositra nialany tany Frantsa dia tsy maintsy nanao fitiliana, ary tokony ho mbola nanao izany teny am-pahatongavana teny Ivato ny 30 aogositra. Azo antoka ny fifaneraserana tamina olona maro teo amin’ny mpilalaon’ny Barea, nisy ny teny an-dapa, nisy ny fivoahana alina raha ny sary hita niparitaka tamin’ny tambajotran-tserasera, ny nandritra ny lalao na koa nandritra ny fotoam-pitokanana kianja ny sabotsy 4 septambra. Mety hanaratsy endrika antsika ihany koa ny hoe: efa tonga any amin’ny firenen-kafa vao voamarina fa misy mpilalao tratry ny covid-19. Isika niala tao anatin’ny hamehana ara-pahasalamana, namory vahoaka an’aliny ny Fanjakana, kanefa io miseho io fa ny mpilalao izay sokajiana ho tsara aro aza voan’ny covid-19 dia ahoana izany ny besinimaro tao anatin’ireny vahoaka maro be ireny ?
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT