Sport

Fidirana maha matihanin’ny baolina kitra Nahazo mpanohana miisa 2 ny 67 City FC


  • Zoma 26 Aogositra 2022

7 taona izay no niorenan’ny klioban’ny baolina kitra tantanan’ny filohany, Faneva Andriatsima na Faneva Ima, 67 City FC na 67 City Football Club, eto Madagasikara.

Mbola ao anatin’ny sokajy divizionina faharoa izahay ankehitriny, hoy ny tenany, ary tanjona apetraka ny hahatafakarana divizionina voalohany amin’io taona hoavy io. Ho fidirana amin’ny maha matihanin’ny baolina kitra hatrany dia tontosa omaly tetsy amin’ny Havana Resort Ambohidahy ny fifanaovan-tsoniam-piaraha-miasa eo amin’ity klioba sady sekolin’ny baolina kitra mitaiza hoavin’ny baolina kitra Malagasy miisa 250 eo ity sy ny banky Malagasy Nouvelle institution de microfinance na NIM sy ny Havana Resort ho fanohanana ofisialy ity klioba ity. Tafiditra ao anatin’ny fandraisana andraikitra ara-piarahamonin’ny hotely ny fitaizana ara-batana sy ara-tsaina, hoy ny tomponandraikitry ny Havana Resort, Tahiana Razanamahefa, ary mariky ny fitiavan-tanindrazana ihany koa izao fiaraha-miasa izao ka nampiray ny tadin-dokanganay 3 tonta. Fanampiana ara-tsakafo, ara-pampitaovana, ara-pitaterana sy ny maro hafa izay tena ilaina indrindra hahatomombana ny fanazaran-tenan’ireo beazina moa no votoatin’izao fanohanana ofisialy mandritry ny 5 taona izao. Eo amin’ny ara-bola kosa dia hanokafana kaonty fiandry na “compte epargne” izy ireo, hoy hatrany ny fanazavana. Hisy koa, araka izany, ny fanofanana ara-pitantanana entinay ho azy ireo, hoy ny tale jeneralin’ny NIM, Harizaka Rakoto, ary hanomboka amin’izay fampianarana manokatra kaonty izay. Nahazo mpanohana ofisialy miisa 2 avy hatrany, araka izany, ity klioba tantanan-dRakapy ity.
J. Mirija

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT