Fibatana fonjamby

Tompondakan'i Afrika i Rosina


  • Alarobia 07 Febroary 2024

Nanaporofo ny maha sangany azy hatrany i Rosinah Randafiarison

eo amin’ny taranja fibatana fonjamby. Norombahiny indray ny anaram-boninahitra ho tompondakan'i Afrika teo amin'ny sokajin-danja 49kg. Medaly volamena miisa 3 no norombahan'i Rosinah teo amin'ny sokajy 49 kg, sady fiadiana ny tompondakan’i Afrika izay manandanja lehibe eo amin’ny fanasokajiana olaimpika satria nampitondraina ny anarana "Championnat d'Afrique de qualification olympique Egypte" rahateo. Nandritra ny lalaon’ny Nosy ny aogositra 2023 dia izy no nisantatra ny medaly volamena ho antsika, ary nandravarava tanteraka tamin’ireo. Medaly volamena 3 tamin’ny sokajin-danja -45kg, izay nahavitany nibata 75kg teo amin'ny Arraché ary 90kg teo amin'ny epaulé jeté (total olympique 165kg), ka io no zava-bita tsara indrindra vaovao na "nouveau record de l'océan Indien", ary io mbola porofoiny io fa mafy sy tsy azo hozongozonina izy eo amin’ity taranja ity ho an’ny fifaninanana kaontinantaly.
Nangonin’i Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT