Sport

Fibatana fonjamby Malagasy Mahazo tohana ireo atleta sangany


  • Zoma 08 Mey 2020

Na dia eo aza ny fepetra noraisin’ny fanjakana amin’ny tsy tokony hanatanterahana hetsika ara-panatanjahantena amin’izao fotoana hiatrehana ny amehana ara-pahasalamana eto amintsika izao dia tsy niraviravy tanana ny

 

 

 

 

Na dia eo aza ny fepetra noraisin’ny fanjakana amin’ny tsy tokony hanatanterahana hetsika ara-panatanjahantena amin’izao fotoana hiatrehana ny amehana ara-pahasalamana eto amintsika izao dia tsy niraviravy tanana ny Federasiona Malagasin’ny taranja fibatana fonjamby fa niezaka manohana ara-pitaovana sy ara-teknika hahazoan’ireo atleta sangany ao aminy miatrika fanazaran-tena any an-tranony mba hitazomana ny “forme” ananan’izy ireo ankehitriny. Nambaran’Atoa Randriamanarivo Harinelina Jean Alex, filohan’izany federasiona izany, fa novatsiana fitaovana any an-tranony ireo atleta sangany ireo hahafahany manohy tsy tapaka ny fanazaran-tenan’izy ireo tsirairay avy ary harahi-maso ihany koa amin’ny alalan’ny fandefasana teknisiana mpanazatra manome toro-marika azy ireo. Anisany mahazo an’izany tohana izany ohatra ry Andriantsitohaina Tojo sy Eric, Randafiarison Rosina, Ravololoniaina Vania, Ramiaramanana Ricardo, raha tsy hilaza afa-tsy ireo fotsiny isika.

Ntsoavina Evariste

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT