Sport

Fibatana fonjamby – FMHMC Lany ho filoha fanindroany i Harinelina


  • Alarobia 19 Mey 2010

Notontosaina omaly ny fifidianana fanavaozana ireo mpitantana ny federasiona malagasin’ny fibatana fonjamby sy ny fanabonkonan-kozatra.

Kandida tokana ihany no nilatsaka dia ny filoha am-perinasa, Randriamanarivo Harinelina Jean Alex ary lany soa aman-tsara tamin’ny vato 6 tamin’ny 6. Ligy enina no tonga nandatsa-bato dia Analamanga, Atsinanana, Boeny, Itasy, Alaotra Mangoro ary Vakinankaratra. Araka ny tapak’ireo ligy mpifidy dia lisitra no nofidiana. Hiditra amin’ny fe-potoam-piasana faharoa izany i Harinelina izay efa nitana io andraikitra io nanomboka tamin’ny taona 2004 nahalany azy voalohany. Marihina fa ity farany dia manampahaizana manokana sady filohan’ny vaomiera teknikan’ny kaonfederasiona afrikanin’ny fibatana fonjamby aty Afrika, no sady mpitsara iraisam-pirenena amin’ny body building. Tanjon’ity ekipa vaovao ity ny hamoaka teknisianina avo lenta. Hatao laharam-pahamehana ihany koa ny fampiofanana ireo mpitantana. Anisan’ny hetsika goavana amin’ity taom-pilalaovana ity ny fiatrehana ny fiadiana ny tompondakan’i Afrika senior amin’ny fibatana fonjamby izay hatao any Yaoundé Cameroun ny 22-27 jolay izay tafiditra amin’ny fifantenana ireo hiatrika ny Lalao olimpikan’i Londres 2012. Ankoatra izay ny fiadiana ny tompondaka eran-tany amin’ny body building hatao any Thailand ny 4-5 septambra.

Hery Rabe
Randriamanarivo Harinelina, filohan’ny FMHMC
 
Ireo mpitantana vaovao
Filoha : Randriamanarivo Harinelina JA
Filoha lefitra : Randrianiaina Bien Donné
                      Razafimahefa Herinirina
Sekretera jeneraly : Andriamparany Liva Harizaka
Mpitahiry vola : Ravololonirina Rabe Eric
Mpanolotsaina : Raharimanga Perline Anita
                          Robinson Andrianina

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

  • MAFANA TRAIL
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

LA TRAVERSÉE DES VALLÉES 2026

Hijery ny tohiny
FTT