Sport

FIBA Word Cup 3x3 Hidona amin'ny rezatra ry Elly


  • Zoma 10 Martsa 2023

Efa nampoizina ihany fa ho mafy ho an'i Madagasikara ity fiadiana ny ho tompon-daka eran-tany eo amin'ny basikety 3 x 3 hatao any Vienne (Autriche) ny 30 mey ka hatramin'ny 5 jona ity.

Ampatsahivina ihany fa raha mbola miady toerana any Israely ny vehivavy dia tafita avy hatrany ny lehilahy amin'ny maha tompondakan'i Afrika azy. Efa vita rahateo ny antsapaka ary fantatra izao ireo izay hiray vondrona amintsika .Tena ireo sangany avy hatrany no hifandonan'i Elly Randriamampionona sy ny namany satria ahitana an'i Frantsa, Alemaina, Serbia ary Brezila. Tena mafy fa tsy mbola manary toky avy hatrany ireto miaramilan'i Deda Randrianarivelo ireto. Hafa mihitsy mantsy ny lalao lalaovin'olona telo sy ny dimy. Tombony dia ny fahazan'izy efa-dahy miaraka. Ankoatr’i Elly mantsy dia efa niaraka taminy hatramin'ny fahakeliny tany Mahajanga i Livio Ratianarivo. Koa satria mila vatana koa ity taranja ity dia nantsoin'i Deda handrafitra ny ekipam-pirenena ihany koa i Arnol Solondrainy sy Fiary Rakotonirina. Raha ny fanomanana indray dia efa nanomboka ny tapaky ny volana febroary teo ary mbola tsy vitan'izay fa noho ny fahazain'ny filoha Mika Ramaroson mandresy lahatra dia mbola mitohy folo andro any Serbia izany kotrana izany. Ny basikety rahateo efa ataon'ny fitondrana laharam-pahamehana toy ny baolina kitra hany ka tsy ho sarotra aminy ny mahita ny ho enti-manana. Samy miandry ny rehetra fa hanoratra tantara vaovao Indray ry Elly ka hanole hafaliana ny Malagasy tsy vaky volo.
Clément RABARY
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT