FIBA Champions Cup 3x3

Hanainga anion y Ankoay lahy sy vavy


  • Alarobia 12 Martsa 2025

Hanainga anio alakamisy 12 martsa ho any Bangkok Thaïlande, ny ekipam-pirenena Ankoay

lehilahy sy vehivavy amin’ny basketball 3x3 mba handray anjara amin’ny FIBA Champions Cup 3x3 izay hatao ny 14 hatramin’ny 16 martsa 2025 ao amin’ny Central World Square. Avo lenta ity fifaninanana ity izay hanangona ireo tompondakan’ny kaontinanta ka anisan’izany ireo ekipa Ankoay ho an’i Afrika, ny ekipa manana laharana ambony amin’ny FIBA 3x3, ireo nahazo medaly volamena tamin’ny Lalao Olaimpika, ary koa ny ekipan’ny firenena mpampiantrano. Ny 14 martsa izao no hifandona amin’i Serbie laharana voalohany amin’ny filaharan’ny FIBA 3x3 maneran-tany ny ekipa lehilahy tarihin’i Elly Randriamampionona. Mbola hifandona amin’i Autriche ihany ny androtr’io. Ny 15 martsa kosa no hiatrika ny lalao fahatelo amin’i Pays-Bas. Ny Ekipa vehivavy tarihin’i Jaofera Christiane Minaoharisoa kosa dia hifanandrina amin’ny Sinoa ny 14 martsa, ary avy eo hifandona amin’ny Kanadiana. Ny 15 martsa kosa no hifandona amin’ny Alemà amin’ny lalao farany amin’ny vondrona. Fotoana sarobidy ho an’ny Ankoay ahafahana manandratana avo ny voninahitry ny firenena ity fifaninanana iraisam-pirenena lehibe amin’ny basketball 3x3 ity, ka dia mirary fahombiazana ho azy ireo.
Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

  • MAFANA TRAIL
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

LA TRAVERSÉE DES VALLÉES 2026

Hijery ny tohiny
FTT