Fiba Afrobasket Qualifiers

Hafana ato anatin’ny 3 andro, tsy maintsy hiady mafy ny Ankoay


  • Zoma 21 Febroary 2025

Tanterahina eto Madagasikara etsy amin’ny Lapan’ny fanatanjahantena Mahamasina

manomboka anio zoma hatramin’ny alahady 23 febroary izao Fiba Afrobasket Qualifiers, dingana fahatelon’ny fifanintsanana hiakarana any amin’ny FIBA Afrobasket 2025. Iray tarika ao anatin’ny vondrona D i Madagasikara, Côte d'Ivoire, Egypte, ary ny Repoblika Centrafricaine (RCA). Aorian’ity fifaninanana ity dia ho tafakatra amin’ny FIBA Afrobasket 2025 hatao any Angola amin’ny volana aogositra ireo ekipa 3 voalohany. Hatreto, eo amin’ny laharana fahatelo isika taorian’ny dingana faharoa notanterahana tany Egypte. Manana isa 6 ny Ejiptianina, 5 ny Ivorianina, 4 isika Malagasy, ary 3 kosa ho an’ny RCA. Farahafaratsiny izany isika mila mitazona ny laharana fahatelo mba hitazonana ny tapakila. Tsy mora noho izany ny ady miandry ny Ankoay, saingy ambony kosa ny moralin’ny mpilalaontsika izay efa niomana fatratra, ary vonona ara-tsaina sy ara-batana ireo mpilalao 12 mirahalahy hiaro ny voninahi-pirenena, ahitana an’i Mathias M’Madi, Lahontan Rija, Livio Rocheteau Ratianarivo, Kiady Razanamahenina, Elly Randriamampionona, Johan Randriamananjara, Romain Monja Faralahy, Sitraka raharimanantoanina, Arnol Solondrainy, Anthony Rasolomanana, Jerry Pepin Rabibisoa, Hasina Rasolonandrianina. Hitarika ny Ankoay kosa ny mpanazatra Jeannot Ravonimbola sy ny mpanazatra lefitra. Ndranto Rakotonanahary. Avo lenta ny fifaninana, ary tonga eto Madagasikara mihitsy ny Media-Pro orinasa Portioge fanta-daza amin’ny fampitana mivantana lalao iraisam-pirenena amin’ny taranja basikety, izany hoe : herijika ihany koa hahitan’izao tontolo izao ny fahaiza-manaontsika sy ireo mpifaninana amin’ny taranja basikety.

TAHAKA IZAO IREO FANDAHARAN-DALAO :
Anio zoma amin’ny 2ora no hifandona i RCA Egypte, raha toa ka amin’ny 5ora kosa ny lalao voalohan’ny Ankoay izay hifampitady amin’i Côte d’Ivoire. Rahampitso sabotsy amin’ny 4ora kosa dia hifampitady amin’ny Ejiptianina ny Ankoay, raha toa ka 7ora hariva kosa no hifandona i RCA sy Côte d’Ivoire ; ny alahady izay andro farany kosa dia hifandona amin’i RCA ny Ankoay amin’ny 4 ora tolakandro ary amin’ny 7ora hariva kosa no hifandona ny Ivorianina sy ny Ejiptianina. Alefa ankoay !
Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Kianjan’i Mahamasina
  • Alarobia 08 Aprily 2026

Kasaina hovaina bozaka

  • Kintan'ny Kitra Malagasy
  • Alatsinainy 16 Martsa 2026

Nodimandry i Dezy Ramasy

  • Raikitra ny « FIBA 3x3
  • Alakamisy 12 Martsa 2026

Champions Cup 2026 » Australie sy Etazonia no hidona

  • FIKAMBANANA PORTE BONHEUR
  • Talata 10 Martsa 2026

Hitily maimaimpoana ny

  • Disadisa eo amin'ny
  • Zoma 06 Martsa 2026

taranja ady totohondry

  • Barean'i Madagasikara
  • Alarobia 04 Martsa 2026

Hiatrika lalao ara-piralahiana miisa 2, raha kely

Hijery ny tohiny
FTT