Sport

FIBA 3x3 World Cup Qualifier 2023 Mila tohanana dien’izao ny Ankoay vehivavy


  • Alatsinainy 20 Martsa 2023

izany hoe fifanintsanana ahazoana ny tapakila iadiana ny tompondaka eran-tany eo amin’ny taranja Basket Ball lalaovin’olona 3,

sokajy vehivavy. Handraisana firenena miisa 6 anjara izany ka isany i Madagasikara. Ireo ekipam-pirenena miisa 3 voalohany ao anatin'io fifaninana ho tanterahina any Israely io, hoy ny fampatsiahivana, dia tafita avy hatrany hiatrika ny fiadiana ny amboara eran-tany hatao any Vienne - Autriche, ny 30 mey hatramin'ny 4 jona 2023. Isika rehetra hiaraka hanohana ny ekipam-pirenena malagasy. Ankoay vehivavy hiatrika ny “FIBA 3x3 World Cup Qualifier 2023”, dieny izao dia andeha tohanana, hoy hatrany ny fanentanana. Toy izao moa ny fizaram-bondrona amin’ity fifaninanana savaranonando voalaza teo ity. Ny vondrona A no ahitana ny ekipam-pirenen’i République Tchèque, Aostralia, Madagasikara. Ny vondrona B kosa no misy an’I Israely, Soisa, Kolombia. Mila tohanana dien’izao ny Ankoay vehivavy raha tiana ny ahita vokatra tsara, hoy hatrany ny fanentanana izay heverina fa tsy natao hiantefa amin’ny olompirenena ihany fa amin’ireo tomponandraiki-panjakana isan’ambaratonga indrindra indrindra, satria avo lenta ny fifaninanana mila vola sy fitaovana izany fa tsy vitan’ny kabary. Raha aty Afrika dia anisan’ny mamiratra ireo Ankoay vehivavy ireto ka inona moa no antony tsy haha lasa lavitra azy eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena ?
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT