Sport

Fiba 3x3 – Fifaninanana nasionaly Ekipa 10 no hiaro ny voninahitr’Analamanga


  • Alakamisy 14 Janoary 2016

“Asio telo any e !”no anaran’ny hetsika. Ekipa 20 no hifampitady amin’ny andiany voalohany amin’ny fifaninanana nasionaly amin’ny baskety lalaovin’olona telo (Fiba 3x3).

 Ny 30 sy 31 janoary no hanaovana io fifaninanana nasionaly io etsy amin’ny kianja mitafon’i Mahamasina. Ny ekipa folo amin’ireo dia avy eto Analamanga avokoa fa ny folo ambiny dia avy amin’ireo ligim-paritra hafa. Ny habetsahan’ny mpilalao sy klioba eto Analamanga no nahatonga io tombon’isa ho an’ny solontenan’ny ligy mpampiantrano io, araka ny fanazavana. Sokajy tokana no hifaninana amin’io dia ny mihoatra ny 18 taona lehilahy ihany, tsy anavahana na manana na tsy manana kara-pilalaovana. Na ny mpilalao N1A aza afaka mandray anjara avokoa. Ny 23 sy 24 janoary no hanaovana ny fifaninanana ho an’Analamanga eny Mahamasina ihany ka ireo folo mendrika eo no hahazo ny tapakilan’ny fifaninanana nasionaly. Ankoatra ny sokajy +18 taona anefa dia hikarakara fifaninanana antsoina hoe “Challenge U18” koa ny mpikarakara. Efa misokatra ny fisoratana anarana ary ny 20 janoary izao no farafanaovana izany. Ny tolakandron’io ihany, manomboka amin’ny 2 ora, ny fivoriana ara-teknika ary hirahana amin’ireo mpandray anjara rehetra etsy amin’ny kianja mitafon’i Mahamasina. Marihina fa efa mibanjina ny hiatrika fifaninanana iraisam-pirenena amin’ity Fiba 3x3 ity ny federasiona. Anisan’ny fifaninanana goavana efa fanao any ivelany ny fiadiana ny tompondaka erantany, All Stars, World Tour ary ny fifaninanam-paritra aty Afrika … Tsy maintsy mahavita mikarakara fifaninanana telo lehibe eto an-tanàna anefa ny federasiona vao afaka miatrika ireo fifaninanana iraisam-pirenena ireo.


 

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Kianja BAREA Mahamasina
  • Zoma 24 Aprily 2026

Telo andro ho an'ny Fanatanjahantena

  • Kianjan’i Mahamasina
  • Alarobia 08 Aprily 2026

Kasaina hovaina bozaka

  • Kintan'ny Kitra Malagasy
  • Alatsinainy 16 Martsa 2026

Nodimandry i Dezy Ramasy

  • Raikitra ny « FIBA 3x3
  • Alakamisy 12 Martsa 2026

Champions Cup 2026 » Australie sy Etazonia no hidona

  • FIKAMBANANA PORTE BONHEUR
  • Talata 10 Martsa 2026

Hitily maimaimpoana ny

  • Disadisa eo amin'ny
  • Zoma 06 Martsa 2026

taranja ady totohondry

Hijery ny tohiny
FTT