FIBA 3x3 Africa Cup

Hiaro ny anaram-boninahitra ny Ankoay…


  • Alarobia 03 Desambra 2025

Hotanterahina eto Madagasikara

ny zoma 5 ka hatramin’ny 7 desambra 2025, etsy amin’ny Lapan’ny Kolontsaina ny sy ny fanatanjahantena Malagasy ny fifaninana lehibe « FIBA 3x3 Africa Cup » eo amin’ny taranja basikety lalaovin’olona telo. Fifaninana goavana hiadiana izay ho tompondakan’i Afrika ho an’ny taona 2025, taorian’ny nandrombahantsika izany tamin’ny daon-dasa na ho an’ny sokajy lehilahy na ho an’ny vehivavy. Amin’ny sokajy lehilahy dia firenena 14 no hifaninana, ahitana an’i Madagasikara, Alzeria, Benin, Oganda, Roandà, Ejipta, Kenya, Repoblika Demokratikan’i Kongo, Seychelles, Zambia, Tonizia, Botswana, Komoro ary Somalia. Amin’ny vehivavy kosa dia firenena 10 no hiady ny anaram-boninahitra: Madagasikara, Benin, Oganda, Roandà, Ejipta, Kenya, Repoblika Demokratikan’i Kongo, Tonizia, Botswana ary Komoro. Navoakan’ny Federasionina Malagasy misahana ny Basikety na ny FMBB omaly, fa 5000Ar ny vidim-pidirana ho an’ireo te hanohana mivantana ny Ankoay. Hifanandrina amin’ny ankoay vehivavy amin’ny andro voalohany ny zoma izao amin’ny 5:35 hariva ny ekipan’i Egypte izay isan’ny maozatra aty Afrika, saingy efa resintsika nandritra ny famaranana tamin’ny taon-dasa. Hifandona amin’i Ouganda kosa ny ankoay lehilahy ny zoma io ihany amin’ny 7 :15 hariva, raha i Tunisie sy RD Congo kosa miandry azy ireo ny sabotsy izao. Tsy mora ny miandry ny ekipam-pirenena Malagasy izay mila miaro ny voninahi-pirenena sy ireo dingana efa vita na teto Afrika na eran-tany.
Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Kianjan’i Mahamasina
  • Alarobia 08 Aprily 2026

Kasaina hovaina bozaka

  • Kintan'ny Kitra Malagasy
  • Alatsinainy 16 Martsa 2026

Nodimandry i Dezy Ramasy

  • Raikitra ny « FIBA 3x3
  • Alakamisy 12 Martsa 2026

Champions Cup 2026 » Australie sy Etazonia no hidona

  • FIKAMBANANA PORTE BONHEUR
  • Talata 10 Martsa 2026

Hitily maimaimpoana ny

  • Disadisa eo amin'ny
  • Zoma 06 Martsa 2026

taranja ady totohondry

  • Barean'i Madagasikara
  • Alarobia 04 Martsa 2026

Hiatrika lalao ara-piralahiana miisa 2, raha kely

Hijery ny tohiny
FTT