FIBA 3x3 Africa Cup 2025

Nanao poa-droa


  • Alatsinainy 08 Desambra 2025

ny Malagasy, voatazontsika ny tompondakan’i Afrika

Voatazona ny anaram-boninahitra ! Voahosotra ho tompondakan'i Afrika indray ny Ankoay na ny sokajy lehilahy na ny sokajy vehivavy, nandritra ny FIBA 3x3 Africa Cup 2025 notanterahana teto Madagasikara ny 5-7 desambra! Teo amin’ny lehilahy, nandresy an'i Egype 21-20 ny Ankoay tamin'ny famaranana nandritra ny famaranana, lalao tena nampitaintaina tanteraka satria raha nitarika tamin’ny elanelan’isa 4 na 5 teo isika tany amin’ny dimy minitra voalohany, dia nitarika tamin’ny elanelan’isa 4 tahaka izany ihany koa ny Ejiptianina tao anatin’ny 3 minitra farany. Efa tao anatin’ny 40 segaondra farany no nanasahala ny isa 20-20 tamin’ny alalan’ny tifi-dafitra isika ary efa tena tao anatin’ny segaondra vitsy hifaranan’ny lalao no nahafaty ny isa iray farany, ka tsy nisy fotoana nahafahan’ny Ejiptianina namaly intsony. Efa nanana fotoana nahafahana nibata ny fandresena ny Ejiptianina tamin’ny alalan’ny « lancer-franc » roa tokony nahazoana ny isa 21 saingy tsy maty ny iray. Raha hiverenana, tsy nisy fahadisoana fa fandresena avokoa ny lalao rehetra ho an’ny Ankoay na ny lahy na ny vavy. Nandresy tamin’ny isa 21-18 ny Ankoay lehilahy nanoloana an'i Rwanda tao anatin’ny lalao voalohany ; 18-13 nanoloana an’i Botswana ; 21-10 nanoloana an'i Kenya. 21-14 nanoloana an'i Algérie tamin’ny mlanasa-dalana, fandresena tao anatin'ny 7 minitra sy 20 dia nahazo isa 21. Ho an'ny vehivavy, Nandresy tamin'ny isa 17-16 an'i Egypte nandritra ny famaranana. Lalao tena nampitaintaina Raha tsiahivina, nandresy 20-18 nanoloana an’i Tunisie ; 18-17 nanoloana an’i Egypte ; 18-15 nanoloana an’i Ouganda ; 21-13 nanoloana an’i RD Congo ny Ankoay vehivavy ; 21-20 ny Ankoay vehivavy nanoloana an'i Kenya, lalao nampitaintaina satria efa nitarika 19-14 ny Kenianina. Voatazontsika ny anaramboninahitra tompondakan'i Afrika na ho an'ny lehilahy na ho an'ny vehivavy, ka ny ekipam-pirenena Malagasy hatrany izany no hisolo tena an'i Afrika amin'ireo fifaninana goavana eran-tany.
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Kianjan’i Mahamasina
  • Alarobia 08 Aprily 2026

Kasaina hovaina bozaka

  • Kintan'ny Kitra Malagasy
  • Alatsinainy 16 Martsa 2026

Nodimandry i Dezy Ramasy

  • Raikitra ny « FIBA 3x3
  • Alakamisy 12 Martsa 2026

Champions Cup 2026 » Australie sy Etazonia no hidona

  • FIKAMBANANA PORTE BONHEUR
  • Talata 10 Martsa 2026

Hitily maimaimpoana ny

  • Disadisa eo amin'ny
  • Zoma 06 Martsa 2026

taranja ady totohondry

  • Barean'i Madagasikara
  • Alarobia 04 Martsa 2026

Hiatrika lalao ara-piralahiana miisa 2, raha kely

Hijery ny tohiny
FTT