Sport

Fiatrehana ny Cosafa cup 2022 Manana olana ara-bola indray ny Barea…


  • Alakamisy 07 Jolay 2022

Mbola manjavozavo hatreto ny dian’ny Barean’i Madagasikara hiatrika ny “Coupe de l’Association des confédérations de l’Afrique de l’Est”

na ny Cosafa Cup 2022 herinandro latsaka mialohan’ny lalaon’ny ekipam-pirenena, kanefa efa nanomboka ny 5 jolay hatramin’ny 17 jolay atsy Afrika Atsimo ny fifaninana. Lafiny ara-bola no olana, ka voalaza fa miereritra hifampiresaka amin’ny mpiara-miombon’antoka ny Federasionina. Mbola mila famahana olana ara-bola vao tena afaka miainga. Marihina fa ireo mpilalao eto an-toerana avokoa no mandrafitra ny Barea hiatrika ity fifaninanana ity. Ny 12 jolay izao no hiakatra an-kianja, ary hiatrika avy hatrany ny ampahefa-dàlana hifanandrinana amin’i Namibie ny Barean’i Madagasikara. Noho ny laharantsika aty Afrika no hiakarana avy hatrany amin’ny ampahefa-dàlana fa tsy mandalo dingana fifanintsanana. Na mbola manjavozavo aza ny hoenti-manana amin’ny fandehanana, mitohy kosa ny fanomanana eny Carion nanomboka ny alatsinainy teo, izay tarihin’ny mpanazatra Romuald Rakotondraibe na Roro, mpanazatra ny Barea eto an-toerana. Miisa 30 ireo mpilalao manaraka fanazaran-tena eeny Carion, ka ny 23 amin’ireo no hisidina any Afrika Atsimo, izay mbola manjavozavo tanteraka ny momba ny dia. Olana ho antsika foana ny ara-bola hiatrika lalao iraisam-pirenena. Ny kianja hihazakazahana ny mameno azy iraky ny tampón-tanety, kanefa ny ekipam-pirenena miha sahirana sy miha mitotongana hatrany. Ny kianja mirantiranty saingy toa tsy azo ampiasaina akory ho an’ny fifaninanam-pirenena, raha tsy hilaza afatsy ny kianja Barea. Ny lafiny mahaolona kosa toa tsy voajery raha tsy rehefa misy tombotsoa ara-politika na laza tadiavin’ny mpitondra?
Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT