Fiatrehana ny CHAN 2024

Sarotsarotra ny ady ho an'ny Barea


  • Alarobia 13 Septambra 2023

Fantatra izao fa ny 22 ka hatramin'ny 24 septambra ho avy izao ny dingana voalohany amin’ny fiadiana ny

tompondakan'i Afrika baolina kitra ho an'ireo milalao ao amin'ny taniny (CHAN 2024). Tsy voafaritra anefa hatreto na mandray anjara na tsia amin'io dingana voalohany io isika Malagasy satria mbola tena sarotra ny resaka, mbola tsy mitsangana ny federasiona vaovao tokony hanapaka sy hanendry izay ho mpanazatra. Hatreto anefa amin'ny saina tsy miangatra dia mbola tsy misy mahasolo an'i Roro. Mbola mila mitady mpilalao hafa anefa izy satria tsy afaka mampiasa an'i Rakool ary vao omaly aza dia heno koa fa efa nanao sonia hilalao amin'ny ekipan'ny Saint Denis atsy La Réunion koa i Berajo ka tsy azo antsoina ihany koa ohatran'i Rojo Be efa any amin'ny Saint Pauloise. Mila mamorona indray izany na mamelona an'i Datsiry aloha sy mitady soloin'i Berajo. I Rojo Be indray dia efa voasolon'i Andy na Ando Kely hoy ry zareo Disciples, klioba misy azy. Ny tena olana dia efa antomotra loatra ny fotoana ka ho sarotra ny hahita mpilalao tonga dia azo hajoro. Raha ireo Fosa Juniors no eritreretina dia hita fa somary nihena kely ireo mpilalao maharitra toa an'i Tsiry sy Jean Yves ary indrindra moa fa i Dax. Ny maha Fosa ny Fosa tato ho ato dia ireo mpilalao taloha tao amin'ny Five FC toa an'i Feli sy Veve. Manana ny toerany koa anefa ny mpiandry tsatokazo Fabrice izay fohy nefa lava amin'ny hakingany. Asa aloha fa raha tsy maintsy manao io dingana voalohany io dia tsy misy afatsy ireo efa nofantenan'i Roro Rakotondrabe. Fa raha tsy manao kosa dia manana fotoana tsara hananganana miaramila.Ny dingana faharoa mantsy dia hotanterahana ny 15-17 desambra ny lalao mandroso ary 22-24 desambra ihany no lalao miverina. Ny dingana fahatelo sady farany dia ny 8-10 marsa 2024 ny lalao mandroso ary 16-18 marsa ny lalao miverina.
Clément RABARY
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Tsindrin'i Etazonia
  • Talata 28 Aprily 2026

momba ny Mondial 2026

  • FANATANJAHANTENA
  • Talata 28 Aprily 2026

AN-TSEKOLY

  • Disadisan'ny
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

Federasiona sy ny Mpitsara

  • Kianja BAREA Mahamasina
  • Zoma 24 Aprily 2026

Telo andro ho an'ny Fanatanjahantena

  • Kianjan’i Mahamasina
  • Alarobia 08 Aprily 2026

Kasaina hovaina bozaka

  • Kintan'ny Kitra Malagasy
  • Alatsinainy 16 Martsa 2026

Nodimandry i Dezy Ramasy

Hijery ny tohiny
FTT