Sport

Fiatrehana ny CAN 2019 Maro mpanohana ny BAREA


  • Zoma 24 Mey 2019

Naneho ny heviny tetsy Antaninarenina amin’ny fahavononan’izy ireo hanohana ny Barean’i Madagasikara amin’ny fiatrehana ny CAN 2019 any Egypte ireo

 

solontenan’ireo mpikambana miankina na tsy miankina amin’ny fanjakana ao amin’ny Club des Partenaires Association Barea Can 2019 nahitana ny Mjs, Star sy Telma efa mpanampy ny baolina kitra hatrizay, ny banky Bni, ny Jovenna ary ny Canal + « partenaire du football dans le monde ». Raha atao bango tokana ny nambaran’izy ireo teo anatrehan’ny mpanazatra nasionalin’ny Barea, Nicolas Dupuis sy ny mpanao gazety maro tamin’io omaly io dia azo fintinina amin’ny teny hoe «  Hiray fo sy hifampitantana miaraka amin’ny fanohanana hatramin’ny farany ny Barean’i Madagasikara izy ireo ho tafita lavitra araka izay tratra amin’ny fiatrehana ny CAN 2019 izay sambany teo amin’ny tantaran’ny baolina kitra  mba handray anjara amin’izany ny Malagasy. Mbola nampian-dRtoa Rosa Rakotozafy « Tale Jeneralin’ny Spaoro  Malagasy » aza hoe ho fanohanana 100%   no  atao amin’izany. Samy nilokaloka koa izy rehetra fa vonona hanampy an’ity taranja ity ankoatra ny fiatrehana ny Can koa izy ireo. Voaresaka tetsy Antaninarenina fa ho tsara tantan’ireo mpilalao ny vola voangona amin’ny fanohanan’ny “Club des Partenaires” sy izay mety voaangona amin’ny hetsika “Téléthon”  hatao toy ny tany Mauritanie. Tsy misy idiran’izany “basket fund” izany amin’ity hetsika ity.

 

Ntsoavina Evariste

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT