Sport

Fiatrehana Lalao Olimpika Tokony manova famindra ny Malagasy


  • Alatsinainy 12 Aogositra 2024

Vita iny ny Lalao Olimpika tany Frantsa Toy ny mahazatra dia mbola nody maina indray isika

Raha jerena rahateo ny elanelana dia tena mifanalavitra ary hita fa mbola lavitra ny afo ny kitay ary mijanona ho nofinofy izany medaly olimpika izany na dia ny varahina aza.Misy azo atao anefa raha te hahatratra ny tanjona. Tokony hapetraka ho laharam-pahamegana izany tendrena izay ho minisitry ny Fanatanjahantena vaovao mba hanana izay fijery izao.
TSY MISY FAHAGAGANA IO
Tsy misy fahagagana anefa izany fa dieny izao dia tokony hatomboka ny fanomanana sy ny safidy ireo taranja mety hitondra vokatra.Ireo hita ireo aloha dia mety ny manohy amin'ny sehatra avoavo kokoa raha i Rosinah Randafiarison izay tsy omena tsiny satria tsy tao anaty sokajy mahazatra azy. I Sidonie Fiadanantsoa indray dia tsy dia lavitra fa na izany aza tsy ampy io 12 seg 85 satria any amin'ny 12 segondra mahery kely ireo sangany eran-tany.Raha Laura Rasoanaivo indray dia toa odian'ny sasany tsy hita fa sokajy junior anie izy no tompondakan'i Afrika ary mbola tena betsaka ireo senior no any alohany ary tsy ho tratrany raha tsy mahazo fiofanana avo lenta sy matetika izy.Ireo ihany aloha no azo raisina raha ny hita tany Paris.
TARANJA HAIN'NY MALAGASY
Fa raha tena hametraka fanamby ny Komity Olimpika Malagasy dia mijery ireo taranja hain'ny Malagasy ary mila fiofanana avo lenta ihany koa.Ohatra akaiky ny canoë kayak izay tsy lavitra ny lakanjejo voafehin'ny foko Vezo na ny any Manakara koa aza. Misy taranja azo hianarana tsara koa anefa toy ilay mihanika rindrina sy ny BMX. Raha misy mpanazatra avo lenta afaka antsoina ary hasiana fifaninanana maro koa mba hifantenana ireo havanana amin'reny mba alefa miofana any ivelany dia izay ihany no lalan-tokana handehana any amin'ny Lalao Olimpika any Los Angeles.Ny saika adino dia ny kitesurf izay fahita isaky ny faran'ny herinandro any Diego izay manana toerana tsara toy ny Baie du Sakalava.Efa manana olona afaka manofana izany isika amin'ny alaian''i Razafindrasata mirahalahy saingy asa na tena tsy fantatry ny KOM ny fisiany ity taranja miara-miasa amin''ny minisiteran'ny Fizahantany no tsy zakany noho ny politika.
Clément RABARY

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT