Sport

Fiara tsara sy matanjaka Tsy zakan’ny Malagasy intsony ny fanafarana


  • Alakamisy 11 Oktobra 2018

Nampahafantarina tetsy amin’ny Hotely Telozoro Andrefan’Ambohijanahary omaly talata 09 oktobra ny hetsika meeting VW Mada Andiany faha-5 izay hatao ny sabotsy 13 oktobra ho avy izao manomboka

 

 

amin’ny 08 ora sy sasany maraina etsy amin’ny lapan’ny fanatanjahantena Mahamasina. Tanjona ny hampihaonana sy ny fanamafisana orina ny fifandraisana amin’ny olona tia sy miondana ny fiara  Vw, Audi, Porsche sy ireo marika mitovitovy amin’izany. Hisyaraka izany ny fifanakalozana traikefa na amin’ny resaka fikojakojana, na ny fitaovana miasa ary indrindra mety ho tonga amin’ny fifamarotana  mihitsy aza izany. Nanamarika ireo mpikarakara fa tena mbola be mpitia ireo marika ireo amin’izao fotoana ary mbola ahitana pièce tsara eto Madagasikara. Na dia izany aza anefa dia tsy zakan’ny Malagasy intsony izany manafatra fiara izany satria tena mihalafo isan’andro ny vidiny  ka aleo ny eo an-tanana no atsaraina. Tsiahivina fa sady faha -10 taonan’ny klioba Magolf io ary hisy ny fifaninanana hanomezan-doka ho an’ireo manana fiara mendrika

Tsirinasolo

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT