Sport

Fiantsoana ireo Barea Tombanana ho amin’ity herinandro ity fara-fahatarany…


  • Alatsinainy 13 Mey 2024

Tombanana ho fara-fahatarany amin’ity herinandro ity ny fiantsoana ireo mpilalao handrafitra ny ekipam-pirenena

 

malagasin’ny baolina kitra na Barean’i Madagasikara hiatrika ny tohin’ny fiadiana ny tapakila hankanesana any amin’ny tompondaka eran-tany eo amin’ny taranja baolina kitra. Mbola tsy naharaisana vaovao mazava mikasika izany moa hatreto ny mpanazatra Romuald Rakotondrabe na Rôrô saingy tsiahivina kosa fa ny 3 jona izao isika no hiatrika ny lalao mandroso izay tokony atao eto an-toerana amin’ny ekipam-pirenen’i Kaomoro. Ny 11 jona kosa no tokony handray ny ekipam-pirenen’i Mali, izany hoe, afaka tapa-bolana mahery eo sisa. Andrasana araka izany ny lisitr’ireo mpilalao. Mety hisy fiovana ve, raha ireo zava-nitranga nandritry ny tohin’ireo taom-pilalaovana isaky ny fifaninanam-pirenena taorian’ny varavara-kelin’ny FIFA ireny no iaingana sa ho voatazona avokoa ireo nanao fitsapana tamin’ny ekipam-pirenen’i Burundi sy Rwanda? Etsy ankilany, moa ve ny olana misy rehetra, indrindra, ny mikasika ny fankasitrahana na «prime» ho an’ireo mpilalao efa voavaha?
J. Mirija

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT