Sport

Fianakaviamben'ny FMF Nisitraka fanampiana avy amin’ny FIFA


  • Talata 05 Mey 2020

Taorian’ny nanolorany nivantana fanampiana ho an’ny ady amin’ny tsimokaretina Covid-19 teny amin’ny CCO covid-19 teny Ivato tamin’ny alakamisy 30 aprily 2020 lasa teo avy amin’ny tohan’ny FIFA sy CAF

 

 

 

 

nitambatra dia notohizan’ny FMF tamin’ny fanomezan-tanana manokana ny fianakaviamben’ity rafitra ity nanomboka tamin’ny zoma 01 mey lasa teo izany hetsika izany ka ireo “staff” ao amin’ity FMF sy ny fianakaviany no nisitraka fanomezana voalohany teny Isoraka : “1 Kit de prevention IMRA”, “3 flacon gel disinfectant”, “ 5 bouteilles d’eau de javel”, “2 paquet de cache-bouce”, “50 pièces de gants”,”2 sacs de 50 kg de riz”, “3 sachets d’1kg de sucre”, “3 bouteilles d’1l d’huille”, “1 carton de 50 savons”. Anisan'ireo nisitraka ny fanampiana avy amin'ny FMF i “coach” Ramiaramanana Haingomalala, mpanazatra mpilalao baolina kitra U20 vehivavy Malagasy. "Mifandraika tanteraka amin'ny kolontsaina kitra izay hiainanay mpilalao ny amin'ny tokony hifanampiana sy hifanomezan-tanana hatrany indrindra ao anatin'ny fotoan-tsarotra izao hetsika ataon'ny FMF izao, hoy izy, noho izany dia mankasitraka feno ny FIFA, ny Président Raoul Rabekoto sy ireo mpiara miasa rehetra aminy ny tenako". Etsy andaniny dia nahatery ny fòny ny mba hampita hafatra mifandraika amin'ny maha-coach azy, tsy ho an'ny mpilalao baolina ihany anefa, fa hoan'ny malagasy mpiray tanindrazana rehetra : "Aza atao ambanin-javatra, hoy izy, ny mampietsiketsika vatana na dia minitra vitsy isan'andro fotsiny ary. Manamafy ny herim-batana sy ny herin-tsaina ihany koa izany, mba tsy ho mora andairan'ny aretina".

Ntsoavina Evariste

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT