Sport

Fiahiana ara-tsosialy Hitsinjo ny tantsaha ny CNaPS


  • Zoma 08 Septambra 2017

Notokanana omaly alakamisy 07 septambra ny trano fiasana sy trano fonenan’ny CNaPS any Ambilobe Faritra DIANA.

Ny praiminisitra Mahafaly Solonandrasana Olivier nisolotena ny filoham-pirenena Malagasy notronin’ny Tale jeneralin’ny Cnaps, Arizaka Rabekoto Raoul, no nitarika ny fitokanana tany an-toerana. Fotodrafitrasa maoderina sy mankadiry no napetraky ny CNaPS ao Ambilobe. Sady birao fiasana no ahitana ihany koa efitrano fonenan’ny fianakavian’ny mpiasan’ny CNaPS ity toerana ity. Nambaran’ny tale jeneralin’ny CNaPS nandritra ny lahateniny fa feno 60 taona ankehitriny no nisian’ny fiahiana ara-tsosialy eto Madagasikara kanefa dia mbola ny mpiasa mpikarama ihany no misitraka izany. Koa dia vinan’ny CNaPS ny hanome fiahiana ara-tsosialy tsy miangatra ho an’ny rehetra amin’ny fampidirana ireo tantsaha mpamokatra ao anaty valan’ny CNaPS. Ireo mpamokatra izay manome 85%-n’ny Malagasy dia mendrika ho tsinjovina ara-tsosialy, hoy hatrany ny tale jeneralin’ny Tahirim-pirenena. Nambaran’ny praiminisitra kosa fa matoa matanjaka ny CNaPS dia noho ny fiaraha-mientan’ny mpikambana rehetra ao aminy amin’ny fanefana ny latsakemboka, eo ihany koa ny fangaraharahan’ny fitantanana. Nanentana ny Ben’ny tanàna sy ny vahoaka ny tenany mba hanaraka ny dian’ny CNaPS amin’ny fiaraha-misalahy satria ny firaisankina sy ny fandraisana andraikitra no ahafahana mamita zavatra lehibe sy ahafahana mampandroso ny vondrom-bahoakam-paritra sy ny firenena.

Ntsoavina Evariste

 


 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT