Sport

Fiadiana ny tompondakan’ny « Pancrace » Nahomby ny andiany voalohany


  • Alatsinainy 03 Febroary 2020

Tontosa tetsy amin’ny kianja mitafon’Ankorondrano omaly alahady 02 febroary 2020 ny fiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara

 

 

 

amin’ny taranja Pancrace andiany voalohany nokarakarain’ny “Comission Malagasy de Pancrace Submission” tarihan’ny filohany, Andriambahoaka Luc, niaraka tamin’ny XXL sy ny tohana ofisialy nataon’ny GFC “Global Fighting Championship” tantanan’Atoa Guillaume Tissut. « Tratra ny tanjona tamin’ny ankapobeny, hoy ny ireo tompon’andraikitra ao amin’ny CMPS, fa nahatratra 50 mahery ireo mpikatroka tonga niatrika ny fifaninanana ka ady niisa 35 no notanterahina tao anatin’izany. Namaly ny antso nataonay ihany koa ireo mpijery tonga maro dia maro tety Ankorondrano izay hisaorana manokana tamin’ny fanohanany ny taranja. Teo amin’ny lafiny teknika, hoy hatrany ny tompon’andraikitry ny CMPS dia tena afa-po izahay teknisianina fa nampiharin’ireo mpikatroka isanisany an-tsakany sy an-davany  teny ambony ringa izay norantovin’izy ireo tany amin’ny fampiofanana nomena azy ireo nialohan’ity fiadiana ny ho tompondaka ity ». Somary efa alinalina ihany vao nifarana izany fifaninanana izany omaly.

 

 

Ntsoavina Evariste

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT