Fiadiana ny tompondakan’i Afrika

Vita matavy ny Disciples FC


  • Alatsinainy 26 Aogositra 2024

Toa nilatsaham-baratra ny Disciples FC taorian'ny fihaonany tamin'ny Orlandes Pirates izay

tafiditra amin'ny sava ranonando ny fiadiana ny tompondakan'i Afrika isan-tarika. Ny sabotsy teo ny lalao no natao tao amin'ny kianja an'ireo Dahalo ireto (dika malalaka ny Pirates ety an-tanety). Tsy nisy dinika fa niafara tamin'ny isa 4 noho 0 izay miendrika famaizana. Resy ny Disciples FC. Mampiharihary ihany koa fa raha eo anivon'ny klioba dia tena mbola lavitra ny Malagasy. Tena tsy misy fampitahana rahateo raha ny endriky ny fifaninana eo an-toerana aza satria toa lasa anarana fotsiny ihany ilay Pro League fa tena mbola "amateur" eo amin'ny lafiny maro. Porofo voalohany amin'ny izany ity fifaninana sadasada izay mivadika ho amboara amin'ny farany fa tsy toy ny any ankafa hoe mihaona daholo ny ekipa 18 toy any Frantsa ary lalao mandroso sy miverina anaty kianja feno hipoka izay midika fa miditra ny vola.Tsy atao mora rahateo ny fidirana ary misy fiaraha-miasa amin'ireo televiziona sy gazety hanentanana ny olona ho tonga. Izay ilay tena endrika maha matihanina ary tonga ho azy ny fanafarana mpilalao avy any amin'ny firenena hafa. Fa hatreto aloha dia tokony laharam-pahamehana ny manova ny endriky ny fifaninana mba hitovy amin'ireo matihanina tanteraka.Raha mbola izao mantsy ny sary ka mijanona ao amin'ny Disciples ry Donga, Fabrice ary Nicolas dia hitsangatsanga indray ny Disciples fa tsy hisy ahatohitra azy. Indrindra moa fa mahita hasolo ireo vodilaharana zokiolona izy.Na mety ireo mpanazatra koa aza satria hita tamin'ireo lalao roa fa tapitra ihany koa izy ireo fa tsy nahay naka lesona taorianan'ilay 0 noho 0 tany amin'ny kianja Côte d'Or. Mila mitady vaha olana izany rehefa tena resaka avo lenta.
Clément RABARY
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Kianjan’i Mahamasina
  • Alarobia 08 Aprily 2026

Kasaina hovaina bozaka

  • Kintan'ny Kitra Malagasy
  • Alatsinainy 16 Martsa 2026

Nodimandry i Dezy Ramasy

  • Raikitra ny « FIBA 3x3
  • Alakamisy 12 Martsa 2026

Champions Cup 2026 » Australie sy Etazonia no hidona

  • FIKAMBANANA PORTE BONHEUR
  • Talata 10 Martsa 2026

Hitily maimaimpoana ny

  • Disadisa eo amin'ny
  • Zoma 06 Martsa 2026

taranja ady totohondry

  • Barean'i Madagasikara
  • Alarobia 04 Martsa 2026

Hiatrika lalao ara-piralahiana miisa 2, raha kely

Hijery ny tohiny
FTT