Sport

Fiadiana ny tompondakan’i Afrika Nitsoaka an-daharana ny Fosa Juniors


  • Alarobia 19 Jolay 2023

Inona izany no antony nandraisany anjara tamin'ny Orange Pro League raha tonga dia nanapaka hevitra fa tsy handray anjara amin'ny fiadiana ny ho tompondakan'i Afrika ?

Fanontaniana mipetraka amin'ny Fosa Juniors io taorian'ny nambarany fa tsy handray anjara izy .Raha tokony ny Fanalamanga izay tompondaka lefitra no hisolo ny Fosa dia niteny koa ity farany fa tsy vonona. Dikan'izay dia tsy misy solontena izany i Madagasikara satria dia efa nifarana ny 10 jolay ny fanoratana ny anarany .Eo Amboara indray dia ny Elgeco Plus no nisoratena tany, Lefitra ny Federasiona rahateo moa i Alfred Andriamanampisoa ka nataony amin'izay mahamety azy. Saingy manahy ny dingana iray ihany ny mpijery satria dia efa resin'ny Fanalamanga ny Elgeco ary farany teo aza dia nifoifoy volo vao naharesy ny FC Mahavatsy fa tany amin'ny dimy minitra farany vao nameno by isa ho telo i Nesta sy Onja. Ny fanontaniana mipetraka sahady dia ny hoe vita ve ny fifanarahana tamin'ny Pro League satria ny 4 ka hatramin'ny 13 aogositra dia hanomboka ny fiadiana izay ho tompondakan'i Madagasikara ho an'ireo ekipa tompondaka amin'ny faritra. Ary ny 8 ka hatramin'ny 17 septambra indray ny fihodinana faharoa mialohan'ny Poule des As handraisan'ireo efatra voalohany anjara. Ny vokana septambra indray no hanomboka ny fiadiana ny tompondakan'i Madagasikara ha an'ny vehivavy. Raha izao no fipetrany dia efa karazany vita izany no asan'izay hitondra vaovao eo satria dia heverina ho vita oktobra ny fifidianana ny FMF vaovao.

Nitondra fanazavana moa ry zareo Fosa Juniors ka nanambara fa : « dia tsy afaka hiatrika ny fifaninanana sy hisolo tena an'i Madagasikara amin'ny fiadiana ny tompondakan'i Afrika isan-tarika.Hiaraha-mahalala fa mifanindry ny lalaon'ny Nosy sy ny fiodinana voalohan'ny savaranonandon'ny fifaninanan'ny CAF.Mpilalao miisa 8 izay andry hiankinan'ny ekipa anefa no voaantso handrafitra ny ekipam-pirenena Malagasy amin'ny lalaon'ny Nosy, izay nivondrona nanomboka ny 15 Jolay ka hatramin'ny 6 Septambra. Noho izany dia sarotra ho an'ny Fosa Juniors FC no handrafitra ekipa hiaro ny voninahi-pirenena any Afrika, vokatr'izay fahabangana izay. Ny Fosa Juniors FC ihany koa dia mametraka ho laharam-pahamehana ny fandaharam-potoanan'ny ekipam-pirenena… »

Clément RABARY
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT