Sport

Fiadiana ny Tompondaka eran-tany Farany vao nisy ventiny ny an’ny Makis


  • Alatsinainy 12 Septambra 2022

Farany vao nisy ventiny, nahavaky atody ihany ny Makis tao anatin'ny fiadiana izay ho tompondaka eran-tany amin'ny taranja rubgy vehivavy lalaovin'olona 7.

Nivoaka nandresy 19-12 isika omaly nanoloana an'i Colombie tamin'ny fiadiana ny laharana faha-15. Nikatona hatreo ny ridao ho antsika, izay raha hatambatra dia fandresena iray sy faharesena 3 no azontsika tao anatin'izay. Lavon'i Australie 48#0, resin'i Espagne 12#0, lavon'i Chine 36#5. Isan'ny lesona ho antsika no tsy fahampiana lalao iraisam-pirenena. Mila maka lesona ihany koa amin'ny fanomanana na ara-batana na ara-bola. Efa nampanahy rahateo ny fahafahantsika nakany Afrika Atsimo noho ny ara-bola satria tsy araka ny fampanantenan'ny Fanjakana. Voatery nifampiraharaha tamin'i Afrika Atsimo tamin'ny ara-bola. Isaorana ny Makis tamin'izay vita, amin'ny manaraka manarina indray.
MILA EZAKA
Maro ny ezaka mbola mila atao, tena ilaina ny fanamafisana ny fifaninanam-pirenena eto an-toerana ary ilaina ny fihaonana iraisam-pirenena mba hanazarana ny mpilalao sy hanatsarana hatrany ny paikady. Zavadehibe ihany koa ny filaminana sy fitonian-tsaina na ho an’ny mpilalao izany na ho an’ireo tompon’andraikitra rehefa hiatrika lalao goavana fa tsy atao resabe foana ny hoe saran-dalana sy akanjo fanamiana.Tokony hifantoka amin’ny lalao sy izay fomba handresena ny ekipa dia izay ihany fa tsy mbola hiasa saina amina zavatra hafa.
Toky R sy J.Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT