Sport

Fiadiana ny tapakilan’ny “Mondial 2022” Miandry ny fifanintsanana isam-bondrona ny Barea…


  • Sabotsy 13 Jolay 2019

Ny CAN no tapitra hatreo ho an’ny Barean’i Madagasikara sy ny Malagasy fa efa manangasanga sahady kosa ny ady manaraka hiadiana ny tapakila hiakarana amin’ny fiadiana izay ho tompondaka eran-tany na ny “Mondial 2022” hatao any Qatar (21 novambra - 18 desambra).

 

 

Misy ekipa 54 eto Afrika, ka mandray anjara amin’ny fifanintsanana hiakarana amin’izany avokoa. Hanana tombondahiny kosa ireo ekipa 26 voalohany eto Afrika araka ny fanakilasian’ny FIFA, ka anisany i Madagasikara raha tarafina amin’ny vokatra azo tamin’ny CAN izay hampiakatra ny filaharantsika ho ao anatin’ireo 26 voalohany. Ny ekipa 28 farany mantsy dia hifanintsana, ka ny 14 tafita amin’ireo dia hanampy ao anatin’ireo 26 voalohany aty Afrika, ka hozaraina vondrona miisa 10 misy firenena 4 avy. Ireo voalohany isaky ny vondrona no hifampikatroka indray hivoahan’ireo 5 hiatrika ny “mondial 2022”. Ny 27 jolay izao no hatao ny antsapaka amin’ny lalao savaranonando hiakarana amin’izay fiadiana izay ho tompondaka eran-tany izay.

Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT