Sport

Fiadiana ny ho tompondakan’i Madagasika amin’ny Pancrace Hotanterahina etsy Ankorondrano amin’ny alahady izao


  • Zoma 31 Janoary 2020

Fantatra tamin’ny fampitam-baovao nomen’ireo mpikambana ao amin’ny “Comission Malagasy de Pancrace Submission” nahitana an’i Eric sy Sahoby ary Radonirina niaraka tamin’ny XXL sy ny GFC

 

 

“Global Fighting Championship”, mpanohana ofisialy tantanan’Atoa Guillaume Tissut,  teny Ivandry omaly alakamisy 30 janoary 2020 fa hotanterahina etsy amin’ny kianja mitafon’Ankorondrano rahampitso sabotsy 01 sy amin’ny alahady 02 febroary 2020 ny fifaninanana nasionaly fiadiana ny ho tompondakan’ny taranja Pancrace eto Madagasikara ka mpikatroka mahatratra 28 avy amin’ny  ligin’ny Pancrace na antsoina hoe “comité” 4 no handray anjara amin’izany. Mpikatroka 20 ho an’Analamanga, 7 ny an’i Vakinankaratra, 6 an’i Boeny ary 5 an’Atsinanana. Ady “Combats” hahatratra 30 mahery kely no indray hisesy harahana amin’izany manomboka amin’ny 09 ora maraina. Ny tanjona amin’ny hetsika dia ny hitsongana an’ireo mpikatroka mendrika hisolotena an’i Madagasikara amin’ny lalao Pancrace iraisam-pirenena hatrehany. Ny akaiky indrindra amin’izany, araka ny fanazavana azo teny Ivandry omaly, dia ny lalao hatao any La Réunion amin’ny 29 febroary 2020 ho avy izao ka handraisan’i La Réunion sy Maurice ary Madagasikara anjara.

 

Ntsoavina Evariste

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT