Fiadiana ny amboaran’I France Tafita amin’ny 1

16n-dàlana ry Dorian Bértrand


  • Alatsinainy 20 Desambra 2021

Tafita tao anatin’ny ady mafy ! Io no mahafintina ny lalaon’ny AS Nancy Saint Lorraine ao anatin’ny Ligue 2 (L2) any France nanoloana ny Estac Troes izay izay ao anatin’ny Ligue 1 (L1) ny sabotsy.

 Lalao niadiana ny tapakila hiakarana amin’ny dingana 1/16n-dàlana amin’ny fiadiana ny “Coupe de France” Amboaran’I France io. Ny Nancy Saint Lorraine izay marihina fa misy ilay mpilalaon’ny Barean’I Madagasikara Dorian Bertrand, ary klioban’I Rayan Raveloson teo aloha ny Troyes, izay tompondakan’ny L2 farany teo, ary niakatra L1. Nisaraka ady sahala 1-1 ny roa tonta teo amin’ny fe-potoana ara-dalàna sy ny fanalavam-potoana na tratry ny karatra mena aza ny mpilalaon’ny Nancy Saint Lorraine miisa telo. Voatery niditra tamin’ny fandakana “tirs-au-but”, ka nivoaka mpandresy tamin’ny isa 4-2 ry Dorian Bértrand. Marihina fa tompon-toerana ity mpilalao Malagasy ity, ary nahomby ny 94% tamin’ny tolotra nomeny.
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT