Sport

Fiadiana ny amboaran'i Frantsa Nanoratra tantara ry Bapasy, Mamy Gervais, Dabo


  • Alatsinainy 06 Janoary 2020

Vitan'ny JSSP Klioba Réunionnais ny nanoratra ny tantara tsy nisy tao anatin'ny 55 taona. Sambany teo amin'ny tantaran'ny baolina kitra mantsy no nisy klioba avy ao amin'ity

 

 Nosy ao anatin'ny departemanta Frantsay ity tafiakatra tamin'ny dingana 1/16n-dalana amin'ny fiadiana ny amboaran'i Frantsa. Lavon-dry Bapasy, Mamy Gervais, Dabo izay mpilalao Malagasy isan'ny andrin'ny JSSP mantsy ny Klioban'i Niort  Ligue 2 Frantsay ny faran'ny herinandro teo. Ny JSSP no nanafika tany Frantsa ary nahavita nandresy 2-1 tany an-tanin'olona. Isan'ny namiratra nahazoana ny fandresena i Bapasy, izay nanome ny tolotra tsara, ary nisy fotoana saika nahafaty baolina mihitsy. Teo ihany koa i Dabo mpiandry tsato-by izay nanavotra baolina maro tsy hiditra tao anaty harato. Niady mafy tao anatin'ny fiarovan-tena ry Mamy Gérvais, ka tao anatin'izany no tafidiny tsy nahy tany anaty haraton'izy ireo ny baolina, ka nahatonga ny isa ho 1-1, saingy mbola afaka nampiditra iray izy ireo . Isan'ny tafita hiatrika io dingana 1/16n-dalana io ihany koa ny Paris FC ilalaovan'i Bolida.

 

Toky R

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT