Sport

Fiadiana ny amboara Asief Analamanga 2019 Nanomboka ny sabotsy teo ny fifaninanana basikety


  • Alatsinainy 06 Mey 2019

Hiditra eo amin’ny dingan’ny ampahefa-dalana sahady ny lalao Asief taranja volley-ball, fiadiana ny amboaran’Analamanga 2019 amin’ny faran’ny herinandro izao.

 

 

Nanomboka tamin’ny sabotsy 27 aprily izy io, notohizana tamin’ny  sabotsy 04 mey 2019 teo, tetsy amin’ny kianja ivelan’i Mahamasina, ny fifaninanana dingana voalohany ho an’ny taranja  basikety baolina amin’ity fiadiana ny amboara Asief Analamanga 2019 “Vainqueur de Coupe” ity.  Lalao 15 no vita, ka nandray anjara tamin’izany ireo ao amin’ny sokajy tanora sy sokajy vehivavy ary sokajy “veteran” izay ahitana ekipa 54 ny fitambaran’izy ireo amin’ny ankapobeny. Nambaran’ny filohan’ny Asief basket Analamanga, Rabemananjara Fenomanana, teny Mahamasina fa tapa-bolana aorian’ireo lalao famaranana amin’ity fiadiana ny amboara ity vao hanomboka ny fiadiana ny ho tompondaka Asief Basket Analamanga 2019.

Ampaham-bokatra azo tamin’ny sabotsy : Justice 40 – 38 Infa ;  Prm 53 – 37 Mesupres ; Mdn 20 – 00 Mmrs.

 

Ntsoavina Evariste

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT