FENOHASINA, mpilalaon'ny Barea CHAN

"Mafy ny ady vao tonga amin'ny fandresena"


  • Talata 09 Septambra 2025

Anisan'ny mpilalao tena nisongadina i Fenohasina nandritra ny

fifaninanana CHAN 2024 farany teo izay nahazahoan'i Madagasikara laharana faharoa ka nampifalifaly sy nampihorakoraka ny malagasy tokoa. Tsy mora anefa hoy i Fenohasina vao tonga tamin'io fa maro ny zavatra mafy nolalovana sy tsy maintsy natrehana, na teo amin'ny fiainana manokana izany na teo amin:ny sehatry ny baolina kitra. Nisy kotrana maro tao ary nisy finiavana ihany koa mba nahafahana nahatratra tanjona iray ary ambonin'izany rehetra izany ny vavaka izay tena zava-dehibe tokoa . Nandritra ny fifaninana dia nisy ny tebiteby, tahotra, fahatezerana ary ny alahelo rehefa nahazo karatra mena aho tamin ny lalao manasa-dalana nihaonana tamin'i Soudan, hoy i Fenohasina. Nahatsiaro ho namela irery ireo namako tao anaty ady mafy aho rehefa nivoaka ny kianja hoy izy Na izany aza anefa dia faly rehefa nandresy ny ekipa ka afaka ilay alahelo nanavesatra. Nisaotra ireo malagasy rehetra nanohana moa i Fenohasina, tsy tapitra hatreo akory ny baolina kitra fa mbola maro ny tanjona fa amin'izao aloha dia mbola ao anatin ny fialan-tsasatra tanteraka izy.
Nangonin’i Valisoa
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

  • MAFANA TRAIL
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

LA TRAVERSÉE DES VALLÉES 2026

Hijery ny tohiny
FTT