Feno tanteraka ireo mpilalaon'i

Madagasikara mandrafitra ny Ankoay.


  • Alarobia 19 Febroary 2025

Tonga teto an-tanindrazana omaly talata 18 febroary ny mpilalao iraisam-pirenena malagasy,

Mathias M'madi. Anisan’ireo mpilalao 12 mandrafitra ny ekipam-pirenena Malagasy amin’ny FIBA Afrobasket 2025 Qualifiers izy. Lalao izay hotanterahina eto Antananarivo ny 21 ka hatramin’ny 23 febroary. Isan'ny andrandraina fatratra ity mpilalao mpamono baolina betsaka indrindra tany amin'ny fiadiana ny tompondaka eran-tany sokajy U-18 ity. Ity Afrobasket Qualifiers karakarain'ny FIBA ity dia dingana fahatelo amin’ny fifanintsanana ho an’ny FIBA Afrobasket 2025. Ho an’ny vondrona D, eto Madagasikara no hanatanterahana ireo lalao, ka iray Vondrona amintsika ao anatin'izany i Côte d'Ivoire, Egypte, ary ny Repoblika Centrafricaine. Aorian’ity fifaninanana ity dia ho tafakatra amin’ny FIBA Afrobasket 2025 hatao any Angola amin’ny volana aogositra ireo ekipa 3 voalohany. Mafy ny mpifanandrina fa ambony ny fanantenana ho an'ny Ankoay raha tarafina tamin'ireo lalao fanomanana.
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT