Fely sy Drogba

Samy nandà tsy hilalao atsy Seychelles


  • Alatsinainy 08 Septambra 2025

Samy nandà tamin’ny ora farany ny fifindràna klioba atsy

Seychelles i Tsilavina Fanomezantsoa na Drogba sy i Fely, mpilalao baolina kitra malagasy, raha ny fampitam-baovao voaray ny faran’ny herinandro teo. I Drogba moa izay lohalahana eo anivon’ny Disciples FC, klioba divizionina voalohany eto Madagasikara, ary hijanona ao ihany izany fa tsy ho any amin’ny St Michel United atsy Seychelles, klioba nisy an’i El Hadary taloha, indray na dia efa tonga teto an-toerana mihitsy aza ireo solontenan’ity klioba atsy amin’ny nosy rahavavy ity. 3 andro taorian’izay koa dia nilaza ho tsy mazoto hifindra ao amin’ny Anse Reunion FC, klioba atsy Seychelles hatrany, i Fely, ilay namono ny baolina voalohany tafiditry ny malagasy tamin’ny famaranana ny tompondakan’i Afrika na Chan 2025 nanoloana an’i Maraoka farany teo. Efa voasoratra anatin’ny lisitry ny ekipa nefa ny tenany ary efa nisy ny fifanarahana teo amin’io klioba io sy ny Fosa Juniors, izay klioba nilalaovany farany teto Madagasikara, raha ny fampitàm-baovao voaray hatrany. Tsy mbola nisy sonia vita nefa, hoy i Fely. Manan-jo handà aho, hoy izy, satria tsy mbola nisy fifanarahana na «contrat» vita. Ny fifanarahan'ny samy mpitantana ny klioba 2 tonta tsy misy fantatro, hoy ny fanazavany. Raha ny fampitàm-baovao voaray avy amin’ireto klioba vahiny ireto kosa dia voambara fa ireto klioba vahiny ireto no nandà ireo mpilalao malagasy tamin’ny ora farany. Ny mampanahy ireo mpanara-baovao ara-panatanjahantena, indrindra, ireo mpankafy baolina kitra eto Madagasikara, etsy ankilan’izay, dia ny hoe ho raisin’ireo klioba vahiny ho tsy matotra ny mpilalao malagasy na ireo mpitantana ny kitra malagasy ka mety ho sanatria hisy fiantraikany amin’ny fifindràn’ireo mpilalao hafa any aoriana any.
Nangonin’i J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

  • MAFANA TRAIL
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

LA TRAVERSÉE DES VALLÉES 2026

Hijery ny tohiny
FTT