Federasion’ny Lomano

Lany ho filoha vaovao i Roland Raveloson


  • Talata 30 Janoary 2024

Na dia fiteny aza ny hoe tsy ovaina ny ekipa mandresy dia niroso tamin'ny

fifidianana izay filohan'ny federasionan'ny lomano ihany ireo mpikambana ny sabotsy teo tao amin'ny ANS Ampefiloha. Voafidy tamin'izany i Roland Mick Raveloson. Izy moa dia efa nitantana ny seksion'ny lomano tao amin'ny Saint Michel ary dia lanin'ireo ligy fito nanatrika ity fivoriambe ity. Vokatra nazava satria efa nilaza ny tsy hilatsaka intsony ny filoha teo aloha dia ny Jeneraly Gabriel Ramanantsoa izay tena nahavita be tamin'ity taranja ity. Nisy ireo mpilomano nalefany niofana tany ivelany ary nitondra avo ny voninahitr'i Madagasikara toa an'i Jonathan Raharvel izay any amin'ny ivon-toerana fiofanana iraisam-pirenena any Thaïlande. Vokany dia medaly volamena telo no azony nandritra ny Lalaon'ny Nosy farany teo teo amin'ny 50, 100 ary 200m brasse. Tany amin'ny foibe fiofanana tany Kazan, Rosia, koa i Holy Antsa Rabejaona ary iny nomontsaniny iny ny zava-bita tsara indrindra teo aminlny 50m NL izay an'i Bako Ratsifandriamana ary izy izao no Malagasy voalohany nahavita latsaky ny 27 segondra satria lasa 26 seg. 94. Raha hiresaka ny fandrosoan'ny lomano nandritra ny fitondran'i Gabriel Ramanantsoa indray dia tsy takona afenina ny vitan'i Tendrinavalona Idealy izay mitana ny laharana voalohany eto Madagasikara amin'ireo vehivavy. Mafy ity zazavavy kely avy amin'ny COSRA Antsirabe ity. Vao efatra na dimy taona izy dia efa nanao fampisehoana nandritra ny fitokanana ilay dobo Ruverside any Andranomafana Betafo saingy ravan'ny sikilaonina Ava izany nefa dia mirefy 25 m ary efa nanaovana fifaninana tamin'ny Triathlon. Nojeren'ireo minisitry ny Fanatanjahantena nifanesy niatomboka tamin'i Jean André Ndremanjary izany nefa tena mba nampandroso an'i Betafo. Raha hoverina amin'ny zava-bita tamin'ny andron'ny Jeneraly Ramanantsoa indray dia efa misy ireo mpandimby toa an'i Baritiana Andriampenomanana avy any Mahajanga izay vao 13 taona monja nefa efa nanamontsana zava-bita tsara indrindra maro. Raha tsorina dia io efa napetrakin'ny filoha teo aloha io ny lalan-kizorana ka manohy sisa no tokony hatao.
Clément RABARY
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT