Sport

Federasion’ny Kick Boxing Lany ho filoha vaovao i Mamy Be


  • Alarobia 31 Janoary 2018

Vita omaly tetsy amin’ny Lapan’ny fanatanjahantena Mahamasina ny fivoriamben’ny federasion’ny taranja Kick Boxing eto Madagasikara izay notarihan’ny “ Commission Electorale” an’ity taranja ity ary natrehan’ny minisiteran’ny fanatanjahantena notarihan’ny DSF, Rosa Rakotozafy.

 

Kandidà 2 no niatrika ny fifidianana dia Rskotonandrasana Alexandre sy Mamindraibe Andrianome Rasolofotafika na i Mamy Be ka lanin’ireo Ligy 9 misy eo amin’ity taranja ity tonga nanatontosa ny fifidianana tamin’ny salanisa  100% ity farany izay nanambara tamin’ny tafa voalohany nifanaovany tamin’ny mpanao gazety fa vonona ny hanohy sy hanatsara ny zava-bita ny nodimbiasany teo aloha ny tenany ary vina tsy maintsy hotanterahina ny hameno ho 22 an’ireo ligim-paritry ny kick Boxing  manerana ny nosy.

 

Ireo mpikambana vaovaon’ny federasion’ny Kick Boxing Malagasy :

 

Filoha : Mamindraibe Andrianome Rasolofotafika

Filoha lefitra : Raherinjanahary Pierre Raymond

Mpitam-bola : Herilanto Gionto Daniel

Sekretera Jeraly : Rakotoarimanana A Patrick José Abel

Tale Teknika : Maronirina Anigaël Gastros

Mpanamarim-bola : Botofahatelo Marc Stephanson

Mpanolotsaina : Raby Razafinambinina Myriam Eléonore, Randrianirina Norosoa Joséphine.

 

Marihana fa 4 taona no fe-potoam-piasan’ity birao mitantana ny federasion’ny kick boxing vaovao ity.

 

Ntsoavina Evariste

 


 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT