Sport

Federasion’ny Basikety Malagasy Hiara-kiasa amin’ny Oniveristen’Antananarivo


  • Zoma 20 Martsa 2020

Hiaraka hiasa amin’ny Oniversiten’Antananarivo manomboka izao ny FMBB « Federation Malagasy de Basket Ball »

 

 

amin’ny fampiroboroboana sy fampakarana ny lentan’ny taranja Basketball eny amin’ity fampianarana ambony Malagasy ity ary koa ho fanamafisana ny fifandraisana ara-piarahamonina hoan’ny tanora Malagasy. Tontosa omaly alakamisy 19 martsa 2020 teny amin’ny tranon’ny “Rectorat” teny Ankatso ny fifanaovan-tsonia amin’ity fifanarahana ity ka nanataneraka an’izany an-daniny ny filohan’ny FMBB Ramaroson Jean Michel ary an-kilany ny filohan’ny Oniversite am-perinasa Ravelomanana Mamy Raoul. Tonga nanotrona ny fotoana kosa ny solontenan’ny ministeran’ny fampiarana ambony sy ny solontenan’ny miniseran’ny tanora sy fanatanjahantena mpiahy ny roa tonta.

Hanamarika hainga vao ho an’ny taranja basikety eny anivon’ny tontolon’ny Oniversiten’Antananarivo indray ity fifanarahana ity ; ny Oniversiten’Antananarivo izay niaingan’ireo mpilalao sangany tamin’ity taranja ity tamin’ny fotoanandrony.

 

Ntsoavina Evariste

 

 

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT