Sport

Federasionin’ny Kung-Fu Wisa Tsy atao zanak’ikalahafa, hoy ny minisitra mpiahy


  • Alakamisy 18 Novambra 2021

Nisy ny fihaonanana teo amin’ny Ministry ny Tanora sy ny fanatanjahantena Atoa HaweL Mamod'ali ny filohan'ny FMKFW (Fédération Malagasy de kung-fu wisa)

 ny Grand Maître AVOKO sy ny sekretera jeneralin'ny FMKFW Atoa Haja Ramamonjisoa ny talata 16 novambra teo. Dinika ara-pomba fifanajana no natao, kanefa nahafahana niresaka mikasika ny rafitra kung-fu wisa Nasionaly (club, section, ligue, fédération), ary voadinika tamin’zany ny fampandrosoana an'ity Taranja be mpankafy ity ka amporisihina ny rehetra hiditra ao anaty rafitra ara-dalàna hatrany, hoy ny fampitam-baovaon’ny FMKFW. Nilaza ny fanirian'izy ireo handray anjara voalohany eo amin'ny fifaninanana iraisam-pirenena amin'ity taranja ity moa ny Filohan'ny federasionina, ka nanamafy ny Ministra mpiahy fa tsy manao zanak'ikalahafa ny Minisitera, mitovy daholo ny fitondrany ny federasionina eto Madagasikara. Noho izany, rehefa tonga izay fotoana iraisam-pirenena izay dia azo dinihina tsara ny fifanampiana, hoy ny fanomezan-toky. Nitsodrano an'ity federasionina vaovaon'ny kung-fu wisa ity moa ny Ministra ary nampanantena fa hisy hatrany ny fifanakalozan-kevitra sy ny fiaraha-midinika amin'izay olana mety hosedraina eo amin'ity Taranja kung-fu ity. Marihina moa fa any amin'ny Faritra Matsiatra Ambony indray no ho tsidihin'ny Birao Federaly amin'ny faran'ity volana novambra ity ka i Ambalavao Tsienimparihy sy Fianarantsoa no hahazo tombony amin'izay. Mitohy hatrany kosa ny fanaparitahana ny « passeport » sy « licence sportif » ho an'ny mpikatroka, ary ny 04-05 desambra no fiofanana Nasionaly hampanaovin'ny DTN (Tale Teknika Nasionaly) Me Rajo Joël an'ireo « CTR » manerana ny Nosy. Efa misokatra sy nahazoana alalana ihany koa ny kung-fu wisa ken ao Paris Frantsa, ka hiondrana hitokana an’izany any an-toerana ny Grand Maître Avoko amin'io taona 2022 io. Tanjon'ny federasionina hatrany moa ny hampiroborobo an'ity Taranja ity, hoy ny fanamafisana.
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Tsindrin'i Etazonia
  • Talata 28 Aprily 2026

momba ny Mondial 2026

  • FANATANJAHANTENA
  • Talata 28 Aprily 2026

AN-TSEKOLY

  • Disadisan'ny
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

Federasiona sy ny Mpitsara

  • Kianja BAREA Mahamasina
  • Zoma 24 Aprily 2026

Telo andro ho an'ny Fanatanjahantena

  • Kianjan’i Mahamasina
  • Alarobia 08 Aprily 2026

Kasaina hovaina bozaka

  • Kintan'ny Kitra Malagasy
  • Alatsinainy 16 Martsa 2026

Nodimandry i Dezy Ramasy

Hijery ny tohiny
FTT