Sport

Federasionin’ny Kung-Fu Wisa Manamafy ireo rafitra ny Grand Maître Avoko


  • Alatsinainy 08 Novambra 2021

Voafidin'ireo ligim-paritra rehetra manerana ny Nosy ho Filohan'ny Federasionina Malagasy amin’ny Kung-Fu Wisa ny Grand Maître Avoko ny zoma 17 septambra 2021.

Nanatrika sy nanome voninahitra izany ny Ministeran'ny Tanora sy ny Fanatanjahantena . Nisy avy hatrany ny kosa tohana ara-bola nataon'ity Federasionina vaovao ity ho an'ireo LIgim-paritra rehetra ho fampandehanan-draharaha, ary nahavita ny fitsidiham-paritra voalohany tany Vakinankaratra ny Birao vaovao ny volana oktobra lasa teo. Ambohimandroso, Antanifotsy, Antsirabe, Ankazomiriotra, Mandoto no notsidihina ka mpanao Kung-Fu Wisa miisa 2500 isa tany ho any no tafahaona tamin'izy ireo. Nisy ihany koa ny dinik'asa niarahana tamin'ny Talem-paritry ny Minisitera tany an-toerana ho fanoherana ny gaboraraka eo amin'ity taranja ity. I Matsiatra ambony indray ahitana an’i Fianarantsoa, Ambalavao,… indray no hotsidihina amin'ity volana novambra ity, ary ny 04-05 desambra kosa no fiofanana nasionaly ara- teknika hampanaovin'ny Tale Teknika Nasionaly Atoa Me Rajo Joël ho fanomanana ny fiatrehana ny fifaninana ho tompondakan'i Madagasikara ho an'ny taona ho avy, hoy ny fampahafantarana. Amin’ny jolay 2022 kosa, hisy koa ny fanomanana ny fifaninanan'ny Kung-Fu any Frantsa, ary ny volana aogositra 2022 kosa ny fiadiana ny tompondaka eran-tany. Marihina fa mpikambana feno eo anivon'ny IKF (International Kung-Fu Fédération) any Azerbaidjan Europe sy ny FAEC ao Paris Frantsa ny Federasionina Malagasy amin’ny Kung-Fu Wisa. Hisy ny fihaonana manokana hataon'ity Filohan'ny Federasionina vaovao ity amin’ny Minisitry Tanora sy ny Fanantajantena ato ho ato ho Fanamafisana ny fampanarahan-dalàna ny taranja Kung-Fu Wisa eto amin’ny tanin'ny Repoblikan'ny Madagasikara. Manana mpikambana ara-dalàna manodidina ny 300.000 manerana ny Nosy moa ity taranja ity. Diplaoma federaly ho an'ny Maître, “passeport” sy “Licence sportif” ho an'ny mpikambana no tsy maintsy ananana vao azo antsoina hoe ara-dalàna ao anatin'ny fianakaviamben'ny Kung-Fu Wisa, araka ny fampahafantarana.
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Tsindrin'i Etazonia
  • Talata 28 Aprily 2026

momba ny Mondial 2026

  • FANATANJAHANTENA
  • Talata 28 Aprily 2026

AN-TSEKOLY

  • Disadisan'ny
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

Federasiona sy ny Mpitsara

  • Kianja BAREA Mahamasina
  • Zoma 24 Aprily 2026

Telo andro ho an'ny Fanatanjahantena

  • Kianjan’i Mahamasina
  • Alarobia 08 Aprily 2026

Kasaina hovaina bozaka

  • Kintan'ny Kitra Malagasy
  • Alatsinainy 16 Martsa 2026

Nodimandry i Dezy Ramasy

Hijery ny tohiny
FTT