Federasionin’ny Karate

«Lany fotoam-piasàna, tsy


  • Zoma 12 Jona 2026

mety manao fifidianana, tsy nahazo fankatoavana iraisampirenena…»

Nesorina manta nialohan’ireny lalaon’ny nosy ireny ny federasionin’ny Karate notarihin’ny filohany, Andrianaivomanana Barijaona Solofo, hoy ny mpikamban’ny Malagasy Okinawan Goju Ryu Karate-do, Maitre Mihari-Ni-Rencho, nampahatsiahy omaly. Nosoloin’ny filoha vaovao, Ratefinanahary Emile, sy ny namany izany avy eo, hoy izy, tamin’ny andron’ny fitondràna Rajoelina. Tokony efa tapitra ny 26 aprily teo ny fotoam-piasàn’ireo, raha ny didim-panjakàna teo anivon’ny minisiteran’ny tanora sy ny fanjanahantena. Federasionina tsy nahazo fankatoavana iraisampirenena mihitsy io hatramin’izay nisiany. Tsy nankatoavin’ny komity olaimpika malagasy ihany koa ny fijoroan’io. Io federasionina io nefa no manasazy sy mampiantona izay klioba manohitohitra azy eto. Ny lalàna 97-014, izay mifehy ny fanatanjahantena malagasy, dia milaza mazava fa ny fifaranan’ny lalao olaimpikan’ny fararano na «jeu olympique d’été» no mamarana ny fotoam-piasana naha voafidy na «mandat électif» rehetra. Isaky ny tapitra izany io lalao olaimpika io dia manao fifidianana seksionina sy federasionina. Isaky ny 4 taona izany io. Efa tokony hanao fifidianana federasionina izany izao fa tsy ny federasionina ankehitriny indray no mbola tadiavina ho roritina. Ny mahagaga dia tsy nanome fankatoavana azy io ny federasionina manerantany na «mondial» nefa ny UFAK, izany hoe, ny federasionina afrikanina manaiky. Olona efa lany fotoam-piasàna no mbola eken’ny federasionina afrikanina ary lasa filohan’ny «Karaté Afrique de l’est» na aty Afrika atsinanana mihitsy dia io ho atao eto Madagasikara io ny fifaninanana ho an’ny aty Afrika atsinanana. Federasionina tsy ara-dalàna nefa io ka fotoanan’ny fanavaozana izao. Tokony ho avaozina ihany koa ny tontolon’ny fanatanjahantena sy tanora, hoy hatrany ity filohan’ny klioba Mogka ity, no sady niantso ny fitondràm-panjakàna, indrindra, ny minisitera tomponandraikitra mba handray fepetra manoloana ny zava-misy.
J. Mirija
Sary fanehoana
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

  • MAFANA TRAIL
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

LA TRAVERSÉE DES VALLÉES 2026

Hijery ny tohiny
FTT