Sport

Federasionina Malagasin’ny Baolina kitra Nomen’ny FIFA rariny i Arizaka Rabekoto Raoul


  • Talata 30 Novambra 2021

Niparitaka nanomboka ny alahady teo ny taratasin’ny Federasionina iraisam-pirenena ho an’ny taranja baolina kitra na ny FIFA niantefa tamin’ny Sekretera Jeneralin’ny Federasionina Malagasy misahana ny taranja baolina kitra (FMF).

Tsy tena voafaritra mazava ny fotoana nandefasana azy io, fa kosa mampahatsiahy ny fivoriana tamin’ny alalan’ny “Visioconférences” nifanaovan’ny FIFA sy ny Komity mpanatanteraka ny FMF 9 jona 2020, 15 jona 2020, ary ny 13 jolay 2020 niresahana ny olana anatin’ny FMF indrindra amin’ny lafiny fitantanana noho ny tsy maha eto an-toerana ny Filohany Atoa Arizaka Rabekoto Raoul. Nilaza ho mahalala ny fisian’ny olana sy ny fomba fijery araka ny lalàna nalefan’ny mpisolovava tamin’ny alalan’ny fangatahan’ny sekretera jeneraly ny FIFA, ary teo ihany koa ny an’ny tonia mpampanoa lalàna ambony eo anivon’ny Fitsarana Tampony noho ny fangatahan’ny mpikambana sasany ao amin’ny Komity mpanatanteraka…. Naneho fa mahafantatra ny fisian’ny olana sedrain’ny FMF sy ny fombafomba ara-pitsarana izay efa nataon’ny tompon’andraikitra samihafa izay mifanolana ao anatin’ny FMF. Manaiky ny FIFA fa tsy mampilamina ny zava-misy eo amin’ny FMF, saingy tsy ahafaha-milaza fa tsy misy filoha mitantana, raha ny fehin-kevitr’io taratasy io. Afaka misahana hatrany ny asan’ny Filoha sy mitantana ny FMF araka ny tokony ho izy na tsy eto an-toerana aza Atoa Arizaka Rabekoto Raoul, ary tsy misy antony tokony hamindrana ny fahefany amina mpitantana vonjimaika, hoy ity fanambarana ity. Nambara ihany koa, fa ara-dalàna ny fanomezan-dRaoul Arizaka Rabekoto ny ampaham-pahefana amin’ny Filoha Lefitry ny FMF Atoa Victorien Andrianony mba ahafahan’ity farany misolo azy amin’ny fotoana tsy maintsy ilàna ny fanatrehany. Fehiny, manohy ny asany amin’ny maha Filohan’ny FMF azy Atoa Arizaka Rabekoto Raoul.
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Tsindrin'i Etazonia
  • Talata 28 Aprily 2026

momba ny Mondial 2026

  • FANATANJAHANTENA
  • Talata 28 Aprily 2026

AN-TSEKOLY

  • Disadisan'ny
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

Federasiona sy ny Mpitsara

  • Kianja BAREA Mahamasina
  • Zoma 24 Aprily 2026

Telo andro ho an'ny Fanatanjahantena

  • Kianjan’i Mahamasina
  • Alarobia 08 Aprily 2026

Kasaina hovaina bozaka

  • Kintan'ny Kitra Malagasy
  • Alatsinainy 16 Martsa 2026

Nodimandry i Dezy Ramasy

Hijery ny tohiny
FTT