Sport

Federasionina Malagasin’ny baolina kitra Hanomboka ny 1 jolay ny fifidianana


  • Alarobia 31 Mey 2023

Taorian’ny fivoriambe ara-potoanan’ny federasionina tao Mantasoa farany teo, hoy ny fampitam-baovaon’ny

kaomisionina misahana ny fifidianana eo anivon’ny federasionina malagasin’ny baolina kitra na FMF tetsy Isoraka omaly, dia nanomboka nandray ny asany ny vaomiera hisahana ny fifidianana eto anivon’ny FMF, dia ny «commission électorale» arahan’ny «commission de recours». Tonga ary izao ny fotoana hifidianana ireo mpiantsehatra ho an’ny 4 taona manaraka, araka ny tetiandro voalamina mialoha, hoy ity kaomisionina ity. Miainga avy eny ifotony izany ka hiatomboka any amin’ireo klioba izay hifidy ny filohan’ny seksionina sy ireo mpiara-miasa aminy. Ireo filohan’ny seksionina indray no hifidy izay ho filohan’ny ligy sy ireo mpiara-miasa aminy eny anivon’ny faritra. Ireo filohan’ny ligy rehetra avy eo no hifidy izay ho filoha vaovao hitantana ny federasionina sy ireo komity mpanatanteraka mandritry ny taom-piasana 2023-2027. Hisy ny fizaram-baovao na «séance d’information» ataon’ireo mpikamban’ny vaomiera nasionalin’ny fifidianana, manerana ny faritra, mba ampahafantatra bebe kokoa ireo fepetra sy fandaminana izay hiantoka ny fifidianana madio sy mangarahara ary eken’ny rehetra. Misokatra ho an’izay rehetra liana manomboka izao ny rohy www.fmf.mg ahitana ny andinindininy momba ny fifidianana isan’ambaratongany, hoy hatrany ny FMF omaly, ka manainga sahady ireo rehetra vonona ny handray andraikitra mba hirotsaka amin’izay toerana manandrify azy. Toy izao ny tetiandro momba ny fifidianana : Eo anivon’ny seksionina: 1 na 2 jolay 2023, eo anivon’ny ligy: 12 aogositra 2023, eo anivon’ny federasionina : 14 oktobra 2023.

J. Mirija


 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT