Sport

Federasionina Malagasin’ny baolina kitra Ahiana hilatsaka indray ny sazy


  • Alatsinainy 30 Aogositra 2021

Mazava ny fanambaran’ny avy eo anivon’ny kaonfederasionina afrikanin’ny baolina kitra na CAF fa tsy azo hatrehina izany ny lalao izay hihaonan’ny

 ekipam-pirenena malagasin’ny baolina kitra sy ny ekipam-pirenen’i Bénin ny alakamisy izao. Etsy ankilan’izay dia niaraha-nahita ny sabotsy teo ny fanombohan’ny fizarana tapakila maimaimpoana ho an’ireo olompirenena maniry hanatrika ny lanonam-pitokanana ny Kianja Barea Mahamasina izay ho tontosaina amin’io 2 septambra io eny an-toerana ihany koa mialoha ity lalao ity. Mazava ho azy fa ho sarotra ny fandaminana ny amin’ny hamoahana ireo mpijery efa tafiditra ao anaty kianja, indrindra, raha toa ka notazonina ilay isana mpanatrika hatrany amin’ny 20.000 nampahafantarina ny alakamisy teo. Ahiana hilatsaka indray, araka izany, ny sazy ho an’ny Federasionina malagasin’ny baolina kitra raha toa ka tsy misy fanapahan-kevitra hentitra sy maty paika ao anatin’ny fotoana fohy handaminana ity toe-draharaha ity. Raha ny fanadihadiana natao rahateo dia ny hijery ny lalao kokoa no tena misarika ny ankamaroan’ireo mpijery fa tsy dia ilay hanatrika lanonam-pitokanana loatra.
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT