FEDERASIONAN’NY MARENINA

« Tsy afaka misitraka vaovao toy ny olon-drehetra izahay »


  • Alatsinainy 06 Novambra 2023

Ny 1 %-n’ny Malagasy miisa 27 tapitrisa no fantatra fa manana olana ara-pihainoana na marerina eto amintsika.

Azo lazaina ho maro an’isa ihany izy ireo ankoatra ireo mbola any ambany ravinahitra tsy hita maso. Manan-jo hahalala vaovao sy hiaina toy ny olon-drehetra ny olona marenina. Ny tena mampalahelo anefa hoy ny federasiona misahana azy ireo dia zara raha misitraka vaovao izy ireo ankehitriny, indrindra amin’izao fotoana mampafampana ny toe-draharaham-pirenena eto amintsika izao. Lasa mpanara-drenirano ny marenina no sady tsy manan-tsafidy intsony hoy hatrany ny tompon’andraikitra. Tsy ampy mantsy ny isan’ireo olona afaka hanazava ny zava-misy amin’ny alalan’ny tenin’ny tanana amin’izy ireny hany ka lasa mijery fotsiny ihany izy ireo na dia mitovy amin’ny olom-pirenena rehetra aza. Tsy hain’ny marerina na dia ny laharan’ireo kandida miisa 13 hilatsaka hofidiana ho filoham-pirenena aza hoy hatrany ny tompon’andraikitra. Miantso ny fanjakana mijoro araka izany izy ireo mba hijery akaiky ireny olom-pirenena tsy mba afaka misitraka ny zony toy ny olon-drehetra ireny fa tsy hojerem-potsiny lalandava tahaka izao.
Pati
Legende : Zava-dehibe ho an’ireo olona marenina ny fanazavana ny zava-misy aminy amin’ny alalan’ny tenin’ny tanana tahaka izao !
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT