Sport

Federasionan'ny bisikileta Mbola Relaha ihany no Jean Claude


  • Zoma 13 Janoary 2023

Lany faninenina hitantana ny Federasionan'ny bisikileta i Relaha Jean Claude Fomba fiteny ihany moa ilay hoe lany satria tsy izay no zava-niseho fa tsanga-tanana no nataon' ireo ligy fito avy any amin'ny faritra.

Olon'ny tontolon'ny bisikileta raha i Relaha ary efa nandrombaka imbetsaka ny anaran'ny maha tompondaka an'i Madagasikara azy. Mendrika ho filoha iny raha izay lafiny izay. Saingy mipetraka ny tantara ary nanamarika fa ny taona 2002 no efa teo amin'io toerana io izy. Roapolo taona aty aoriana dia io izy mbola eo ihany . Raha miampy bokatra moa ka haninona fa saingy tsy izay satria nandritra izay 20 taona izay dia medaly alimo tamin'ny Lalaon'ny Nosy tatsy La Réunion ihany no azo. Amin'izany indray dia tsy noho ny ezaky ny federasiona fa asan-tanan'Antsirabe. I Dama mantsy dia voavola tao Antsirabe miaraka tamin'ireo mpikatroka sangany toa an-dry Hasina, Johary, Roger sy Herizo. Tena mafy ireo satria nanana ny ampy avy tamin'ilay frantsay Paolo izay mpihazakazaka matihanina ary nitrotro ireto tovolahy ireto izay tena sahirana ny sasany satria mpitarika posy na mpitatitra saribao amin'iny fiakarana mideza avy any Manandaniresaka. Nisongadina ny mpilalao avy aty Antsirabe noho io Vazaha io saingy tsy hay hoe ahoana fa dia nailika i Paolo. Izay angamba ilay hoe ory hava-manana. Ny tombony tamin'ny fitantanan'i Relaha dia ny nanaovana Tour de Mada maromaro ka nahafana nitsirika mpilalao maromaro. Tapitra eo anefa ny Tour de Mada satria nodimandry ilay tompon'ny ketrika dia Françis Ducreux. Tapi-dalan-kaleha i Relaha satria ireo mpanohana dia tsy nahatoky afatsy ity frantsay ity. Ary dia eo indrindra isika izao, ary manahy ny ady tsy ho raikitra amin'ny Lalaon'ny Nosy io .Ny tena marina dia tokony mamorona didy ny minisitera mpiahy mametra ho mandat roa ihany ho an'ireo filoha tsy nahazo vokatra tsara. Any amin'ny Filoha Rajoelina mihitsy angamba no hiantefan'ny fangatahana fa raha ny MJS no andrasana dia ho alina eo ihany ny andro. Ny fandraisana anjara amin'ny Lalaon'ny CJSOI izay efa nekena tao amin'ny filankevitry ny minisitra aza moa tsy vitany. Ireo zatovo latsaky ny 17 taona anefa ny resaka eto. Ireo hifidy rahampitso…
Clément RABARY

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT