Sport

Federasiona spaoro aotomobilina Hetsika fanomezan-dra miaraka amin’ireo artista


  • Alakamisy 24 Aprily 2014

Mitovy tadin-dokanga ny federasion’ny spaoro aotomobilina sy mpanakanto vitsivitsy ka hiaraka hientana hanao hetsika fanomezan-dra.

 Samy ny sabotsy 26 aprily izao no hanaovana ny hetsika fa ny toerana no samy hafa. Ny mpanao fanatanjahantena mekanika dia hanao izany eny amin’ny SRK Imerintsiatosika manomboka amin’ny 7 ora maraina ka ireo mpiangaly sy mpankafy ny taranja no hifanome tanana hanome ra amin’io. Hisy koa eny an-toerana ny fifaninanana miavaka sy vaovao izay fifaninanana amin’irony fiara kilalao baikoin-davitra irony.

Ankoatra izay dia hisy ny fifaninanana “Off Road” natokana ho an’ny SSV sy fiara tsy mataho-dalana amin’ny lalana efa voatokana ho amin’izany eny an-toerana. Ankoatra ny asa soa dia sady fialamboly fiaraha-mitsangantsangana io hetsika io izay hifanindran-dalana amin’ny dingana voalohany amin’ny fiadiana ny tompondakan’i Madagasikara ho an’olon-tsotra. Ny ra voangona amin’io dia hotahirizina eny amin’ny bankin-dran’ny HJRA (CNTS: Centre National de Transfusion Sanguine).

Ireo mpanakanto kosa, ahitana an’i Dah’Mama, Label ary Jirah dia hanentana amin’ny fanomezan-dra etsy amin’ny CEMES Soanierana manomboka amin’ny 12 ora sy sasany ny sabotsy izao. Marihina fa afaka manome ra avokoa ny olona mihoatra ny 18 taona hatramin’ny 70 taona. Tsy mety kosa ho an’ireo nanao firaisana sy nandray zavamahadomelina tao anatin’ny 24 ora na koa tsy ampy torimaso, ho an’ireo vehivavy mampinono, bevohoka na tonga fotoana.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

  • MAFANA TRAIL
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

LA TRAVERSÉE DES VALLÉES 2026

Hijery ny tohiny
FTT