Sport

Federasiona Malagasin’ny Volley-ball Tohizana indray ny fikarakarana ny « Coll volley »


  • Talata 09 Jolay 2019

Rehefa najanona nandritra ny fotoana naharitra dia tohizan’ny FMVB “Federasiona Malagasin’ny taranja Volley-ball”

 

  tarihan’Andriamanantena Tahina indray ny fikarakarana ny hetsika “Coll volley” natokana ho an’ny kilonga madinika 8-10  taona sy latsaky ny 11 taona manana sy tsy manana  “licence”. “Tsy dia fifaninanana loatra akory izy ity, hoy izy, fa hetsika natao hitarihana ny ankizy Malagasy ho tia sy hiangaly ny   taranja volley-ball dieny mbola kely”. Tetsy amin’ny kianja filalaovam-baolin’ny Kolejy Md Misely Amparibe ary tamin’ny sabotsy 06  jolay 2019  teo no nameloman’ny FMVB indray an’ity hetsika ity. Kianjana volley-ball kely 8 x 4m maromaro no natsangana teo ka ankizy 2 an-daniny sy an-kilany no nilalao mandritra ny 5mn in-droa miditra avy. “Hotanterahina mialoha ny hetsika  hataon’ny FMVB manerana ny nosy ity hetsika  “Coll volley” ity manomboka izao, hoy ihany Atoa Tahina. 

 

Ntsoavina Evariste

      

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT