Sport

Federasiona Malagasin’ny tsipy kanetibe Manan-kery avokoa ireo fifaninanana karakaraina rehetra


  • Alakamisy 28 Martsa 2019

Tetsy amin’ny “Boulodrome Paddock Mahamasina”, omaly alarobia 27 martsa 2019, no nanambaran’ny mpikambana roa ao amin’ny FMP « Federasion’ny tsipy kanetibe Malagasy »,

 

 

 

 Randriamijorozaka Patrick (filoha lefitra) sy Rambelo Jafetra (mpanolotsaina) fa nivory maimaika ny komity mpitantana an’ity taranja ity nandinika an’ireo fanenjehana sy fanarabian’ny antokon’olona sasany eny amin’ny tambajotra sosialy sy eny amin’ny haino aman-jery samihafa eto amintsika ny federasiona mijoro ankehitriny izay hitondrany fanazavana any  amin’ny Federasiona Iraisam-pirenena amin’ny 1 mey 2019 izao ary koa ny fanakorontanana atao amin’ny fandaharam-potoana efa navoakan’ity rafitra ity rehetra. Nilaza ary taorian’ny fivoriana ny federasiona  fa manankery avokoa ireo fandaharam-potoana efa navoakan-dry   zareo hotanterahina amin’ity taona ity ka mampilaza an’ireo mpilalao avy any amin’ny Faritra ry zareo fa  dia ho raikitra ny dingana voalohany amin’ny fiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara hotanterahina etsy amin’ny Ans Ampefiloha amin’ny sabotsy 30 sy  alahady 31 martsa 2019 ho avy izao ary hitohy hatrany amin’ny dingana manaraka sy ny fanatanterahana ny “Grande Finale”. Nambaran-dry zareo koa fa tahaka ny efa handraisan’ny olon-telo miaraka vehivavy Malagasy ny fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika  any Tonizia ankehitriny ka naharesy an’i Lalatiana sy Hasina ary Mirana y Lila teo amin’ny lalao famaranana raha nikatroka tamin’i Tunisie ary nahavoahosotra ho tompondaka eran-tany 2019 an’i Hasina teo  amin’ny “Tir de precision” dia mbola handray anjara amin’ny fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika “triplette homme” hotontosaina any Togo amin’ny volana jona 2019 sy amin’ny fiadiana ny ho tompondaka eran-tany  amin’ny “tête à tête” lahy sy vavy  sy “doublette” lahy sy vavy ary “doublette mixte” hotontosaina any  Espagne amin’ny volana mey 2019 izao ireo solontenantsika.

Ntsoavina Evariste

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT